Asa fisolokiana
Ny rahavaviny iray tampo aminy ihany no nivadihany
. Tsy nijanona hatreo anefa ireto mpisoloky fa dia mbola nitady hevitra hafa indray hangalana vola tamin’ity lehilahy ity. Ny alakamisy 3 jolay teo ary dia tsy SMS intsony no voarainy fa dia antso mivantana mihitsy ka nilazan’ireto farany fa manana CD manaporofo ny fividianana entana halatra tamina magazay iray izy ireo ka voalazan’ireto mpisoloky ireto fa dia polisy nokaramain’ilay Sinoa hanara-maso azy. Voalaza tamin’izany ary fa raha toa ka manome ny vola ifanarahana dia ajanona hatreo ny raharaha, ary atao madio eo imason’ilay Sinoa ny tenany. Nanome fotoana ilay rangahy ireto mpanao ratsy ireto ka teo amina toby fakan-dasantsy iray teny Isotry no voafaritra hanaovana fifanakalozana ny vola sy ny porofo rehetra, teo indrindra no nampandre ny polisy ity voakasika ka nanaovan’izy ireo ny vela-pandrika rehetra. Voasambotra tamin’izany i Mamanga, ary ity farany no nanoro vehivavy iray izay atidoha nikotrika ny tetika rehetra. Marihina fa rahavavin’ity farany, iray tampo aminy, ny vadin’ilay voasoloky mpitory. voasambotra koa ilay nitonona ho polisy sy ny rahalahiny. Mbola misy namany hafa mbola karohina amin’izao raharaha izao.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.