• Zoma 30 Desambra 2016
Politique.Fanonganam-panjakana Ao an-dapa ny mpivoy azy

Mipoitra tsikelikely ny vaovao manodidina ny serasera novoizina tamin’ny fesiboky amin’ny fisian’ny fikononkononana fanonganam-panjakana. Minisitra lahy iray tamin’ny tetezamita sy vazaha-gasy iray efa malaza ho mahay mamendrofendro sy milalao ny serasera amin’ny resaka fanonganam-panjakana no ao ambadika, mampivoy azy io.

Hamaky ny tohiny
  • Zoma 30 Desambra 2016
Politique.Narson Rafidimanana Tanjona ny fampihavanana ny Malagasy amin’ny taniny

Hifarana ny taona, nohararaotina ny niresaka sy nakana ny hevitry ny minisitra eo anivon’ny fiadidiana ny Repoblika misahana ny tetikasan’ny filoham-pirenena, fanajariana ny tany sy fampitaovana Narson Rafidimanana ny amin’ny fananantany sy ireo olana misy.

Hamaky ny tohiny
  • Zoma 30 Desambra 2016
Politique.Pasitera Mailhol « Izahay sisa ianteheran’ny fitondrana »

Manoloana ny fielezan’ny vaovao amin’ny tambajotran-tserasera izay mahavoatonontonona anarana olobe maromaro teo amin’ny tontolo politika sy manamboninahitra zandary sy miaramila ary koa ny filazana azy ireo fa hiaraka hanongam-panjakana amin’ny filoha mpanorina ny antokom-pivavahana Apokalipsy, ny pasitera Mailhol, dia nanambara ity mpitondra fivavahana ity fa tsaho kendrena hanenjehana ny tenany izany.

Hamaky ny tohiny
  • Zoma 30 Desambra 2016
Politique.Kaominina Antananarivo Renivohitra Tsy nomen’ny Fanjakana “subvention” hatramin’izao

Nanao tomban’ezaky ny asa vitan’ny kaominina Antananario Renivohitra tamin’ity taona 2016 ity, sy ny paik’ady hiatrehana ny fampandrosoana amin’ny taona 2017 ny Ben’ny tanàna Lalao Ravalomanana ny alarobia 28 desambra nandritra ny fivoriana niarahany tamin’ny mpanolotsaina ary ny tale

Hamaky ny tohiny
  • Zoma 30 Desambra 2016
Politique.Voahangy Rajaonarimampianina Mihetsiketsika

Omaly maraina no nahatazanana indray an-dRtoa Voahangy Rajaonarimampianina, vadin’ny filoham-pirenena nizara vatsim-pety ho an’ireo beantintra tezaina etsy amin’ny « Foyer de vie » Andrainarivo sy Ambohimanambola.

Hamaky ny tohiny
  • Zoma 30 Desambra 2016
Politique.Marc Ravalomanana “Hitarika olana goavana ny fanakanana ahy�

Namerina indray omaly Atoa Marc Ravalomanana fa kandida amin’ny fifidianana filoham-pirenena ny tenany ary hitarika olana goavana ny fanakanan’ny fitondrana azy tsy ho kandida amin’io taona ho avy io. Tsy hipetra-potsiny ary tsy hanaiky izany fanakanana ahy izany ny antoko Tiako I Madagasikara (TIM), hoy izy ka aoka tsy hanao sangy ratsy.

Hamaky ny tohiny
FTT