Hifarana ny taona, nohararaotina ny niresaka sy nakana ny hevitry ny minisitra eo anivon’ny fiadidiana ny Repoblika misahana ny tetikasan’ny filoham-pirenena, fanajariana ny tany sy fampitaovana Narson Rafidimanana ny amin’ny fananantany sy ireo olana misy.
Hifarana ny taona, nohararaotina ny niresaka sy nakana ny hevitry ny minisitra eo anivon’ny fiadidiana ny Repoblika misahana ny tetikasan’ny filoham-pirenena, fanajariana ny tany sy fampitaovana Narson Rafidimanana ny amin’ny fananantany sy ireo olana misy. Dinidinika.
Tia Tanindrazana (T.T) : Nanamarika ity taona 2016 hivalona ity ny hetsika fanoratana tany fandovana maimaimpoana. Nanao ahoana ny vokatra miohatra ny tanjona nofaritana ?
Narson Rafidimanana (N.R) : Marina tokoa izany fa anisan’ny fepetra goavana noraisin’ny filoham-pirenena Hery Rajaonarimampianina amin’ny lafiny fananantany tamin’ny fiandohan’ity taona ity io hetsika io. Zava-dehibe ho an’ny vahoaka Malagasy tokoa izany. Raha tokony ho nifarana tamin’ny volana jona 2016 izy io dia nandray fanapahan-kevitra ny filoham-pirenena ny hanitatra azy hatramin’ny faran’ity taona ity. Navitrika ny Malagasy satria ny 45% maherin’ny famindrana taratasin-tany, noraketina tamin’ireo sampandraharahan’ny fananantany manerana ny Nosy dia io famindrana maimaimpoana ho fitsinjovana ny mpandova io avokoa. Miisa 9 709 izany, raha ny tarehimarika azo farany amin’izao fotoana izao. Nirohotra tokoa ny olona satria raha 11.427 no isan’ny famindrana tany nandoavam-bola tamin’ny taona 2015 dia tafakatra 23.694 ny famindrana tany nandoavam-bola sy maimaimpoana tamin’ity taona 2016 ity. Tena nahitam-bokany tokoa ity fepetra noraisin’ny filoham-pirenena ity teo amin’ny tomban’ezaky ny asa vita. Antananarivo, Antsirabe, Ambatolampy, Ambositra, Fandriana ary Fianarantsoa no toerana tena betsaka nanao izany raha ny tatitra voaray. Mety ho anton’izay ny fisian’ny kadasitra tamin’ireny faritra ireny ka nahatonga ireny birao ireny manana titra maro. Ny tany kadasitra rahateo koa no tena nisian’ny olana tamin’ny famindrana satria taranaka maro nifandimby no tsy maintsy anaovana famindrana lova. Nanampy betsaka ny mpanjifa manana tany vita kadasitra ny hetsika famindrana maimaimpoana. Isaorana manokana ireo mpiara-miasa rehetra amin’ireo Sampandraharahan’ny Fananantany manerana ny nosy izay tsy nikely soroka ka nahatrarana izao tanjona lehibe izao dia ny “fampihavanana ny Malagasy amin’ny taniny”.
TT : Nisy ihany koa fizarana kara-tany sy titra, firy no voazara ary Birao Ifotony ny Fananantany na BIF firy no am-perinasa amin’izao manerana ny nosy ?
N.R : Raha tiana ho kitro ifaharan’ny fampandrosoana tokoa ny fananantany dia ilaina ny manome sy manamora ny fahazoan’ireo tantsaha mpamokatra taratasin-tany ara-dalàna. Tosika ho azy mantsy izany mba ahafahany mamokatra tsy amin’ahiahy. Tamin’ity taona 2016 ity dia nihoaran’ny minisitera izay tantaniko tokoa ny tanjona amin’ny fanomezana kara-tany na “Certificat foncier”. Tafakatra 8 992 ny isan’ny kara-tany nozaraina tamin’ity taona ity, ary nisy 2016 be izao no vao nozaraina ny herinandro lasa teo tany amin’ny kaominina Fihaonana sy kaominina Miantso, distrikan’Ankazobe. Ambonin’izany ihany koa dia 11 943 ny isan’ny bokin-tany na “Titre Foncier” nozaraina manerana ny Nosy, na nandritra ny Hetsika Titra Faobe na ODOC (Opération Domaniale Concertée) toy ny notanterahina tany Manjakandriana na taorian’ny Hetsika nataon’ny Fitsarana Tany Mitety Vohitra na TTA (Tribunal Terrien Ambulant) toy ny natao tao Anjozorobe. Raha ny mikasika ny Birao Ifotony ny Fananan-tany na BIF kosa dia 14 no tafantsangana tamin’ity taona ity raha 12 no tanjona napetraka. Manodidina ny 85 ihany koa ireo BIF efa nisokatra no nahazo fampitaovana manokana avy amin’ny fitondram-panjakana tamin’ity taona ity hatrany. Izany no entina hanaporofoana fa tena mandray an-tanana ny fanavaozana sy ny fanatsarana ny sehatry ny fananantany tokoa ny minisitera, araka ny baiko sy toromarika avy amin’ny Filoham-pirenena Hery Rajaonarimampianina.
TT : Misy na izay aza ny fifanolanana ara-tany hita any Marovoay sy Menabe eo amin’ny fokonolona sy ny orinasa SOMIA (Société Malgache d'Industrie et d'Agriculture) toy izany koa ny farihin’Andranotapahana ifanolanan’ny kaominina Ambohidratrimo sy Talatamaty, inona no azo ambara ?
N.R : Tsara ny manamarika aloha fa anisan’ny fandaharan’asan’ny fitondram-panjakana ankehitriny ny hamindra amin’ny anaran’ny fanjakana ireo tany be velarana izay nalain’ireo Voanjo vahiny taloha mba ahafahana mizara izany indray amin’ireo tantsaha mpamokatra efa nanajary ny tany nandritra ny fotoana maharitra. Betsaka ny voakasika izany manerana ny nosy. Misy kosa anefa ny fandaharan’asa izay hanome velaran-tany ho an’ireo mpamokatra sy mpampiasa vola lehibe : “Tanindrazana tokoa no ilaintsika fa tsy tany ngazana”. Fantatray tsara ity raharaha ity izay mikasika velarantany manodidina ny 7 000 ha amina kaominina ambanivohitra enina ao amin’ny distrikan’i Marovoay, Faritra Boeny, ka voakasik’izany ny ao Marovoay Banlieue, Manaratsandry, Ambolomoty, Ankaboka, Anosinalainolona ary Antanimasaka. Tantsaha 6 000 no voakasika, araka ny fantatra. Manaraka akaiky ny toe-draharaha ny minisitera tantaniko. Efa misy ny fifampidinihana mba ahitana marimaritra iraisana eo amin’ny orinasa SOMIA sy ireo vahoaka, dinika izay tanterahina ankehitriny eo ambany fiahian’ireo tompon’andraikitra any an-toerana. Tsy maintsy hojerena ny tombontsoan’ny tsirairay amin’ity raharaha ity. Etsy an-daniny, ny vahoaka mpamboly mba hahazo ny anjara tandrify azy. Efa maro ireo tantsaha no nahazo fanonerana tamin’ny fampiasana ny tany. Misy ihany koa ireo navela nanohy asa fambolena fanaony aloha mandra-piandry ny onitra izay omena azy. Etsy an-kilany koa anefa, faniriantsika ny mba hisian’ny famokarana mahasoa ny rehetra eo amin’io velaran-tany io izay sady mamokatra no midadasika.
Raha mikasika ny farihin’Andranotapahina kosa indray dia olana eo amin’ny famaritana ny faritanin’ny kaominina tsirairay io. Ny Foiben-Taosarintanin’i Madagasikara na ny FTM no tompon’andraikitra voalohany amin’izany. Efa natomboka ny famaritana ny faritanin’ny kaominina na ny “délimitation administrative”. Mbola mandalo eny anivon’ny minisiteran’ny Atitany izany ary tsy maintsy holaniana eny anivon’ny Antenimieram-pirenena vao manankery. Amin’ny maha eo ambany fiahian’ny minisitera ny fanajariana ny tany ny FTM anefa dia tsy maintsy hisy ny fampihaonana ny Ben’ny tanànan’Ambohidratrimo sy Talatamaty hokarakarain’ny minisitera sy ity sampandraharaham-panjakana ity. Mino ny tenako fa tsy misy ny olana tsy voavahan’ny fifampidinihana an-databatra boribory.
T.T : Taorian’ireny COMESA sy Frankôfônia ireny, inona no hanamarika iny 2017 iny ho an’ny minisitera tantaninao ?
N.R : Tiako aloha ny manamafy fa tsy ny asa ho fandraisana ny COMESA sy Frankôfônia ihany no tena nanamarika ny taona 2016 ho an’ny minisitera izay tantaniko. Marina fa ireny no tena mivaingana sy hitan’ny rehetra. Nefa tsy tambo isaina ihany koa ny asa fampitaovana ireo kaominina ambonivohitra na ambanivohitra maro manerana ny Nosy na lalana na tsena na tetezana na ihany koa fanavaozana toha-drano sy ny maro hafa. Araka ny teny filamatry ny minisitera rahateo : “Fotodrafitrasa ho an’ny soa iombonan’ny mpiara-monina”. Mbola ampitomboana avo roa heny ny asa misy fiantraikana mivantana amin’ny fiainan’ny mponina andavanandro toy ireny, amin’io taona 2017 io.
Mbola hanamafy ihany koa isika ny fampivelarana ilay “Fampihavanana ny Malagasy amin’ny taniny” mba ho tena fanoitra ho amin’ny fampandrosoana tokoa ny fananantany. Anisan’izany, ohatra, ny fametrahana ireo paik’ady sy lalàna mifehy ny fampiasam-bola lehibe amin’ny tany be velarana, na amin’ny lafiny fambolena na Zone d’Investissement Agricole na amin’ny lafiny indostria na ny Zone Economique Spéciale. Tsy adino ihany koa anefa ny fanajariana ny tany mirindra izay antoky ny fiarahamonina milamina ho an’ny Malagasy. Ireo tanàn-dehibe sy ireo faritra rehetra eto Madagasikara dia hezahantsika hanana ny drafi-panajariany avy mba ho fitaovana eo am-pelatanan’ny mpitondra isam-paritra hampandrosoana ny faritra misy azy.
Manararaotra sahady ihany koa aho eto am-pamaranana ny hirary soa ny vahoaka Malagasy tsy ankanavaka hanao fety sambatra sy ho hahatratra ny taona vaovao 2017. Hotahian’Andriamanitra avokoa anie isika mianakavy.
Nangonin’i Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.