Nanao tomban’ezaky ny asa vitan’ny kaominina Antananario Renivohitra tamin’ity taona 2016 ity, sy ny paik’ady hiatrehana ny fampandrosoana amin’ny taona 2017 ny Ben’ny tanŕna Lalao Ravalomanana ny alarobia 28 desambra nandritra ny fivoriana niarahany tamin’ny mpanolotsaina ary ny tale
. Nojerena tamin’ny antsipirihany ny asa vita, ny tsy nety ary ny ilana fanatsarana. Nofaritana koa fa tsy maintsy apetraka ny fahatokisana eo amin’ny mpiara-miasa rehetra ary koa eo amin’ny mpitondra sy ny vahoaka. Lalana iray amin’izany ny fahaiza-mitantana, ny ady amin’ny kolikoly. Hajaina koa ny rafitra antanatohatra ka omena lanja ny firaisankina. Hisy ny fanofanana ny mpiasa rehetra, ary kendrena hatrany sy ho tohizana ny fampidiran-ketran’ny kaominina. Hohatevenina koa ny fiaraha-miasa amin’ny sehatra tsy miankina mba ahazoana vokatra tsaratsara kokoa amin’ny famaliana ny tinadin’ny mponina. Etsy an-danin’izay, mitohy ny fivorian’ny mpanolotsain’ny Tanànan’Antananarivo, mandinika ny tetibola 2017. Mahatratra 47, 5 miliara Ariary ny tetibolan’ny kaominina Antananarivo Renivohitra. Hatramin’izao dia tsy mbola naloan’ny fanjakana ny “subvention” tokony ho an’ny kaominina Antananarivo Renivohitra ka nihanona tamin’izay teo am-pelatanany ny tompon’andraikitra nampandehanana ny raharaha.
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.