Manoloana ny fielezan’ny vaovao amin’ny tambajotran-tserasera izay mahavoatonontonona anarana olobe maromaro teo amin’ny tontolo politika sy manamboninahitra zandary sy miaramila ary koa ny filazana azy ireo fa hiaraka hanongam-panjakana amin’ny filoha mpanorina ny antokom-pivavahana Apokalipsy, ny pasitera Mailhol, dia nanambara ity mpitondra fivavahana ity fa tsaho kendrena hanenjehana ny tenany izany.
Manoloana ny fielezan’ny vaovao amin’ny tambajotran-tserasera izay mahavoatonontonona anarana olobe maromaro teo amin’ny tontolo politika sy manamboninahitra zandary sy miaramila ary koa ny filazana azy ireo fa hiaraka hanongam-panjakana amin’ny filoha mpanorina ny antokom-pivavahana Apokalipsy, ny pasitera Mailhol, dia nanambara ity mpitondra fivavahana ity fa tsaho kendrena hanenjehana ny tenany izany. Raha fintinina ny voalaza ao anatin’ilay tambajotra dia hoe : nikononkonona fanonganam-panjakana ny andiana manamboninahitra sy olo-manankaja maro tarihin’ny filohan’ny tetezamita teo aloha, Andry Rajoelina. Anisan’ny anarana voatonona ao ny an’ny jeneraly Ramakavelo sy ny Ben’ny tanànan’i Toamasina, Elysé Ratsiraka ary ny an’ity pasitera ity. Voambara ihany koa fa niainga tao Anjozorobe ho ao an-tranon’ny Ben’ny tanànan’i Toamasina ireto nambara fa hanongam-panjakana ireto hikononkononan’izy ireo izany ary dia fiara tsy mataho-dalana miisa efatra an’ny Apokalipsy avokoa no nampiasain’izy ireo. Namaly moa ny pasitera Mailhol fa tsy mitombina avokoa satria vao tamin’ny 21 desambra teo izy no nomen’ny mpitondra mari-boninahitra. Raha sanatria ka olona avy ao amin’ny fitondrana ihany no nanely izao tsaho izao dia mamita-tena ihany satria ny Apokalipsy sisa no hany ianteheran’izao fitondrana mijoro izao, raha ny toe-draharaha ankehitriny no jerena. Izaho rahateo efa nilaza fa tsy hilatsaka ho filoha fa hapetraka. Noho izany, diso fahavalo ny eo amin’ny fitondrana raha matahotra ahy hilatsaka ho filoham-pirenena.
Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.