Omaly maraina no nahatazanana indray an-dRtoa Voahangy Rajaonarimampianina, vadin’ny filoham-pirenena nizara vatsim-pety ho an’ireo beantintra tezaina etsy amin’ny « Foyer de vie » Andrainarivo sy Ambohimanambola.
Iny tontolo andro iny ihany anefa dia efa voatetiny ihany koa ny teny amin’ny Masoandro Mody sy Faly Finaritra etsy Ambatoroka. Ny antoandro dia Andoharanofotsy, Tsimbazaza, Ambohitrakely ary Ambohidratrimo indray no fandaharam-potoana nanaovany ny asa sosialy ho fitsinjovana ny Asaramanitra. Maro ny tsikera nahazo ny vadin’ny filoham-pirenena tao ho ao. Anisan’ny nahabe resaka ny maro ny fandaniana isan-karazany toy ny fankanesana any ivelany matetika sy ny filazana ny tsy fahitana azy nandritra ireo fotoam-piasana noheverina fa tokony ho nilana azy. Teo ihany koa ny fampitahana natao taminy manoloana ireo vadina filoha roa teo aloha dia Lalao Ravalomanana sy Mialy Rajoelina izay samy nanao izay asa sosialy tandrify azy ireo tao anatin’ny herinandro maromaro izay. Eo no mipetraka ny adihevitra ny amin’ny hoe : tena hanampy ny mpiara-belona tokoa ve no tanjona ambadik’izao fihetsiketsehan-dramatoa vadin’ny filoha izao sa fifaninanana amin’izy roa ?
Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.