Politique

Fanonganam-panjakana Ao an-dapa ny mpivoy azy


  • Zoma 30 Desambra 2016

Mipoitra tsikelikely ny vaovao manodidina ny serasera novoizina tamin’ny fesiboky amin’ny fisian’ny fikononkononana fanonganam-panjakana. Minisitra lahy iray tamin’ny tetezamita sy vazaha-gasy iray efa malaza ho mahay mamendrofendro sy milalao ny serasera amin’ny resaka fanonganam-panjakana no ao ambadika, mampivoy azy io.

Mipoitra tsikelikely ny vaovao manodidina ny serasera novoizina tamin’ny fesiboky amin’ny fisian’ny fikononkononana fanonganam-panjakana. Minisitra lahy iray tamin’ny tetezamita sy vazaha-gasy iray efa malaza ho mahay mamendrofendro sy milalao ny serasera amin’ny resaka fanonganam-panjakana no ao ambadika, mampivoy azy io. Efa re matetika tamin’ny resaka fanonganam-panjakana teto amintsika io vahiny io ary minisitra tamin’ny andron’ny tetezamita izay efa niofo ho olon’ny HVM ihany no miara-mikononkonona hevi-petsy hamotehana ireo olona lotoina ho mikononkonona hanongam-panjakana. Ny tena zava-misy dia tahotra sy fialonana amin’ny mety ho hery politika ananan’ireo olona tononina toa an’i Andry Rajoelina na i Pasitera Mailhol na ny hafa no tena tanjona. Manomboka miseho vahoaka ny filohan’ny tetezamita teo aloha ary tsapan’izy ireo fa misy ihany ny olona liana aminy ary toa miseho ny hery ananany ara-politika na dia eo aza ny laza ratsiny tamin’ny fanonganam-panjakana 2009, ka izay no hamoronana atsanga tsy aman’orana sy hihetraketrahana azy. I pasitera Mailhol ihany koa dia voatonona tao anatin’ny resaka, ary nodisoany tanteraka io zavatra hanasoketana azy io. Tsy azo tsinontsinoavina ny olona manaraka an’i Pasitera Mailhol, ity farany izay efa nilaza, araka ny faminaniany fa izy no hapetraka ho filoham-pirenena atsy ho atsy, kanefa ny hafa mbola mihevitra ny hanao ny fotoam-piasana faharoa, ka izay no handotoana an’i Pasitera. Efa mandeha ihany koa ny resaka fa i Marc Ravalomanana indray izao no ketrehina fatratra izay handotoana azy, rehefa tsy voan’ny lalàna momba ny fampihavanam-pirenena sy ilay lalàna vao hampandalovina eny amin’ny Parlemanta momba ny fandikan-dalàna ara-toekarena sy ara-ketra. Any amin’ny fandotoana ny adversera izay manomboka mampiseho ny tanjany ara-politika sisa no hany paikadin’ireo tandapa sy ny manodidina azy fa efa tsy matoky tena intsony.

Toky R.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fialan’ny Minisitry
  • Alarobia 04 Novambra 2026

ny MNDPT

  • Alain Mahavimbina
  • Alarobia 04 Novambra 2026

«Firenena manana politika

  • Governemanta
  • Alarobia 04 Novambra 2026

Niala ny Minisitry ny

  • Fakan-kevitra
  • Alarobia 04 Novambra 2026

momba ny fifidianana Havoaka ofisialy

  • Vita ny
  • Talata 03 Novambra 2026

fanomanana ny Fikaonandoham-pirenena

  • FENO HERINTAONA
  • Talata 03 Novambra 2026

NY FANAVAOZANA

Hijery ny tohiny
FTT