• Talata 15 Mey 2018
Politique.Fikambanana Soluma « Tokony hametra-pialana ireo depiote 151 »

Mitohy hatrany ny fanehoan-kevitr’ireo mpanao politika, fikambanana, vondrona sy izay mahatsiaro tafiditra ao anatin’ny raharaham-pirenena ankehitriny rehetra manoloana ny zava-misy eto Madagasikara amin’izao fotoana.

Hamaky ny tohiny
  • Talata 15 Mey 2018
Politique.Mpiara-dia amin’ny HVM Mbola misy avo vava ihany

Efa tena tapaka tanteraka amin’ny zava-misy sa manao tsipaky ny miala aina ? Ireo no fanontaniana roa lehibe manitikitika ny mpanara-baovao ankehitriny manoloana ny fihetsik’ireo mpiara-dia amin’ny fitondrana misy ankehitriny sy ny antokony ka mahalasa saina.

Hamaky ny tohiny
  • Talata 15 Mey 2018
Politique.Fialan-dRajao sy ny governemanta Manome fe-potoana 48 ora ny depiote

Ny fanapahan-kevitry ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana (HCC) no tena hamaritra ny ho tohin’ny raharaham-pirenena amin’izao fotoana ary miantefa any amin’izy ireo ny hafatra amin’ny hamoahana faran’izay haingana ny didy momba ny fangatahana ny fialan’ny filoha.

Hamaky ny tohiny
  • Talata 15 Mey 2018
Politique.Fialan-dRajaonarimampianina Tsy hihoatra ny 26 jona…

Isika efa dodona amin’ny fialan’ny mpitondra ka hofenointsika manontolo ity kianja ity manomboka amin’ny alatsinainy ho hitan’ny iraisam-pirenena, hoy ny Solombavambahoaka Hanitra Razafimanantsoa ny sabotsy teo.

Hamaky ny tohiny
  • Talata 15 Mey 2018
Politique.Malagasy Maro no tsy rototra amin’ny fiainam-pirenena

Tsy dia tokony hatao hahagaga loatra aty amin’ny tany an-dalam-pandrosoana sy nandalo krizy maro toy ny aty amintsika ny mahita olom-pirenena maro tsy mandraharaha ny raharaham-pireneny intsony, raha ny fanazavan’ny mpitandrina iray mandinika ny fizoran’izao tontolo izao any amin’ilay rafitra antsoina hoe « Nouvel ordre mondial ».

Hamaky ny tohiny
  • Talata 15 Mey 2018
Politique.OHT Mila fitoniana mialoha, mandritra ary aorian`ny fifidianana

Taorian`ny fangatahan`ny CENI Madagascar tamin`ireo antoko politika nanotrona ny fihaonana tetsy amin’ny Hotel Le Pavè ny zoma lasa teo ny hamoahana ny lalàm-pifidianana hatramin`ny 31 mey ho avy izao raha tiana ny hisian`ny fifidianana amin`ity taona ity dia nihaona omaly teo amin’ny Le Pavé Antaninarenina ireo antoko poIitika miisa 92.

Hamaky ny tohiny
FTT