• Sabotsy 03 Jona 2017
Edito.Izay vao nisy tonony !

Izay indray izany vao mba nahenoana tononkira vaovao ny tontolo politika eto Madagasikara raha fiverimberenan-javatra efa hila hankaleo na nankaleo ny sofin’ny valalabemandry mihitsy aza no saika re lalandava ny taona 2016 no nankaty raha nanomboka nipoipoitra daholo ireo karazam-bovonana sy antoko izay nijoro ho nanohitra ny zava-misy sy ny fitondrana.

Hamaky ny tohiny
  • Zoma 02 Jona 2017
Edito.Tora-kovitra ihany!

Nilaza ny fanjakana tamin’ny alalan’ny Ofisim-pirenena momba ny akoran’afo omaly fa tsy hisy fiakarany toy ny miseho isaky ny fiandohan’ny volana ny vidin-tsolika amin’ity volana jona ity.

Hamaky ny tohiny
  • Alakamisy 01 Jona 2017
Edito.Mbola politika ve ?

Mahatsikaiky ihany ho an’ireo olona tsy dia sarotim-po loatra saingy mahasorena kosa ho an’ireo sarangan’olona leo famitaham-bahoaka sy tena mahalala ny atao hoe politika ny mandre fa niompana tamin’ny “vatsin’Ankohonana” no tena nandaniana ny volam-panjakana hatreto.

Hamaky ny tohiny
  • Alarobia 31 Mey 2017
Edito.Tsy vonon-kihavana !

Samy mivoy ny resaka fampihavam-pirenena ny ankamaroan’ny hery politika eto amin’ny firenena amin’izao fotoana. Hatramin’ireo hery politika matanjaka sy manohitra ny fitondrana, toy ny antoko Tiako i Madagasikara aza dia mivoy an’izany satria izay no hany tokana hivoahana amin’ny krizy.

Hamaky ny tohiny
  • Talata 30 Mey 2017
Edito.Toy ny mahazatra e !

Mahalasa saina sy mampametra-panontaniana ihany hoe ndrao dia tokony hasiana alimanaka amin’izay ity fitokonana miverimberina sy vahaolana famonoana afo lava niseho tao anatin’ny 4 taona sy 5 volana teto amin’ny firenena ity ?

Hamaky ny tohiny
  • Alatsinainy 29 Mey 2017
Edito.Aleo manonofy aloha

Mba fahalalam-pomba angamba no mahatonga ny olona sasany mitoraka voninkazo ny fitondrana HVM misy eto Madagasikara amin’izao fotoana, fa raha hoe ny asa atao sy ny fomba fitantanana ary ny fanolorana vahaolana mahomby dia ratsy dia ratsy ny naoty

Hamaky ny tohiny
FTT