Edito

Fanjakana ho ratsy fiafara !


  • Alarobia 25 Oktobra 2017

Inona no hiafaran’ity fanjakana HVM ity ? Hivoaka amin’ny fomba milamina sy ampahamendrehana sa hinia hamboly korontana sy hanao tsipaky ny miala aina atsy ho atsy ?

Izay izao no fanontaniana mipetraka ao an-tsain’ny ankamaroan’ny vahoaka sy ny mpandinika, ankoatra ny fitaintainan-dava amin’ny hoe sao dia ho tratry ny pesta na ho fatin’ny jiolahy ? Tsy mora tokoa ny mitondra firenena, ary mila fifanomezan-tanana amin’ny vahoaka io fa tsy famoretana hoenti-mampanaiky ny rehetra. Tsy vitan’ny fampiasan-kery sy fahefana miaro fieboeboana ho mahavita azy, tahaka ny misy ankehitriny. Mbola minia midingin-drambo sy mampiseho ny hagegeny anefa ny fanjakana HVM, ka miezaka mikiribiby hanova lalàmpanorenana hanamafisana ny seza, mihantsy ady amin’ireo kandida atahorana,… Izany no mbola masaka an-tsaina, fa izay fahasahiranana sy tsy filaminan-tsain’ny vahoaka any tsy mahataitra. Zara aza angamba misy an’ireny amin’izay mba very dia sy tsy manam-potoana hisainana sy hijerena ny hadalana mihoapampana ataon’ny mpitondra intsony ny vahoaka Malagasy. Ny hamisavisana ny ratsy tokoa hiavian’ny soa, ka ny hirariana dia ny tsy hisian’ny korontana sy fifamonoana indray atsy ho atsy, fa mba hivoaka mandresy ny  fahamarinana sy fihavanana, ary ho resy tosika ny ratsy.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Enga anie mba tsy ho…
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Faheno tamin’ny Fitondrana teo

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

Hijery ny tohiny
FTT