Edito

Tany tsy misy fanjakana !


  • Alatsinainy 23 Oktobra 2017

Raha resaka rafitra no resahina, dia mbola misy tokoa ny fanjakana eto amintsika, fa raha ny lamina ara-piarahamonina sy ny fifehezana ny firenena, dia ara-bakiteny mihitsy ny hoe : tany tsy misy fanjakana.

Tsy misy mpitondra mahavita ny adidiny intsony eto, fa variana amin’ny kajy politika malotony hitazonana ny fahefana eo am-pelatanany. Mirongatra ny tsy fandriampahalemana, midangana ny vidim-piainana, mikatso ny zava-drehetra manoloana ny pesta, fa hafenina ka ny mpianatra ihany mody tsy avela hianatra … Mahagaga ve raha misy mandray fanapahan-kevitra manokana momba ity fampianarana ity ? Mampanantena abobo hatrany kosa no hany ataon’ny mpitondra ankehitriny. Efa voafehy ny pesta e ! Efa manafatra vary an’aliny taoniny isika mba hisorohana ny fidangan’ny vidiny e ! Mba tena tanteraka na nisy vokatra azo tsapain-tanana ve ireny zavatra nambara ireny ?  Tsy atao mahagaga raha tsy misy mihaino ity fanjakana ity intsony ny rehetra satria efa leo sy tofoky ny fampandriana adrisa fotsiny. Efa tany tsy misy fanjakana no handraisan’ny rehetra ny zava-misy satria ny mpitondra no ohatra velona amin’ny fandikan-dalàna, afera maizina, kajy maloto politika,… hany ka ny mivavaka mafy mba hialan’ireo eo amin’ny toerana sy maniry ny hisian’ny olona tena azo antoka sy tsy hamitaka azy sisa ny valalabemandry. Raha ity fanjakana ity mantsy, dia efa toy ny tsy misy no hiheveran’ny maro azy !

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Enga anie mba tsy ho…
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Faheno tamin’ny Fitondrana teo

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

Hijery ny tohiny
FTT