Edito

Edito Ho bado eto ihany


  • Sabotsy 21 Oktobra 2017

Fomba fanabadoana hafa kely ve sa ahoana no mitranga fa toa mahalasa saina ihany ? Amin’ny maha zaza sy ankizy ary mbola tanora fanahy azy ireo dia mitotorebika aloha amin’izao fotoana izao ny kilonga satria mitohy ny fialantsasatra.

 Etsy an-kilany kosa dia miezaka mandamindamin-dresaka hatrany ireo tompon’andraikitra ambony misahana ny fanabeazana amin’ny alalan’ny filazana fa tsy misy ny atahorana ny amin’ny fahataran’ny fandaharam-pianarana. Ny kalandarin’ny ivontoerana sosialy misahana ny fahasalamana (ISH) mikasika ny fanentanana amin’ny ady amin’ny pesta anefa amin’ny volana desambra no fiafarany. Dia mbola mipetraka foana ny fanontaniana hoe fa iriana haharitra mihitsy ve ity valanaretina pesta ity sa tena efa paika maloto hahatonga antsika ho bado eto ihany na raha vantanina dia hoe fanabadoana amin’ny fomba hafa kely ? Aretina tany Eoropa efa tany amin’ny taona 1800 ny pesta ary ny taona 1930 izy no nandripaka ny antsasaky ny Eoropeanina saingy tamin’izay fotoana izay kosa no nanako farany tany an-toerana ny teny hoe “Pesta”. Dia tsy mba handray lesona amin’ny fitsaboana sy fisorohana ny aretina mihitsy ve fa dia mbola hotarihina hatramin’ny oviana izy ity ? Inoana fa tsy vao haingana no nisian’ny soso-kevitra hoe hatokano amin’ny toerana iray faran’izay midadasika ireo marary isam-paritra kanefa ankehitriny dia ireo dokotera madinika indray no miaiky fa tsy mety ny fomba fiady amin’ny pesta amin’izao fotoana satria be loatra ireo toeram-pitsaboana handraisana ireo marary. Sanatria dia tsy ho takatrana profesora hatramin’izay ve ny fanapahan-kevitra tsotra toy izany ?

J. Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Na izany aza… !
  • Talata 05 Mey 2026

Hanomboka fivoriana ara-potoana

  • Miandrandra ny
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

mety kokoa hatrany!

  • Tsy afa-mihemotra intsony!
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Azo lazaina ho tsy afa-mihemotra

  • Tsio-drivotra hafahafa !?
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Isehoana trangan-javatra

  • Mbola tetikasa milevina!
  • Talata 28 Aprily 2026

Nalaza an-taonany maro ho

  • Tsy misy toerana ho
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

an’ny hadisoana !

Hijery ny tohiny
FTT