Edito

Edito Mahonena !


  • Alakamisy 26 Oktobra 2017

Na ny mpitondra na ny vahoaka na ny mpandraharaha na ny mpitondra fivavahana na ny mpanao politika …

 rehefa Malagasy dia mahontsa ny manam-panahy ny mijery azy ankehitriny, mahonena daholo. Mety tsy ho rototra ny “manan-tsaina” satria mihevitra azy ireo ho tena izay tokoa ary tsy tonga ao an-tsainy akory fa tompon’andraikitra amin’ny fisondrotam-pahantrana iainana mandavan-taona ny sasany amin’izy ireo. Mahonena satria mitovy tsara ny tadin-dokanga manoloana ny fitiavana manao resabe mandany jiro lava izao fa rehefa tairina kosa andeha havadika hetsika amin’izay ireny resaka nifanaovana ireny dia saika mihemotra ny ankamaroany ary maro aza ny milaza indray hoe tsy mety izany. Dia tsy mahagaga raha milaza ny mpitondra fa maika ny fampandrosoana nefa ny fihetsika sy ny hetsika atao toa tsy manaporofo izany akory fa mandiso aza. Tsy ny aretina pesta ihany no taratry ny fihemorana nisy teto amin’ny firenena fa teo ihany koa ny fiverenana tamin’ny fampiasana bileta tokana rehefa fifidianana izay mbola ahiana hiainana amin’ny taona 2018. Ohatra hafa mahamenatra ihany koa saingy heverina fa ilaina ny mamerina azy sao mba hisy fahagagana ka hiteraka fahatongavan-tsain’ny tsirairay ihany dia ny hoe mbola mila fampianarana be foana eto amintsika amin’izao fotoana izao ny fomba fidiovana sy fitandroana ny fahadiovana. Ny tena mampalahelo dia ny mahita antsika mianakavy mihevitra ny tenany ho zavatra hatrany rehefa afaka “mampirevy” kanefa dia hararaotin’ny mpifanolo-bodirindrina avy eo rehefa mivarilavo.

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Enga anie mba tsy ho…
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Faheno tamin’ny Fitondrana teo

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

Hijery ny tohiny
FTT