Edito

Edito Ho mason-tsoavaly izany


  • Talata 24 Oktobra 2017

Mijery aloha isika, hoy ny loholona vaovao, raha nandray fitenenana nandritry ny fifamindram-pahefana teo aminy sy ny minisitra vaovao tao amin’ny minisitera nosahaniny teo aloha omaly.

 
Tsy mijery “retroviseur” na irony fitarafana ny aoriana sy an-kavia na an-kavanana irony fa raha tsy izany dia mamantana any an-kady. Mahagaga ihany hoe tompon’andraikitra ambony eto amin’ny firenena ary efa nifamezivezy tamina karazana rafi-panjakana tsy vitsy no miteny an-kolaka tahaka izany fa tsy mila mihaino ny hevitry ny hafa na miherika mijery izay mitranga eo an-kavia sy an-kavanana fa ny dia mizotra mankany aloha hatrany na dia tsy fantatra aza izay miandry ao aloha na ahitan-doza na hahasoa kanefa vahoaka no entina ao amin’ilay firenena. Tsy toy ny sary tonga ao an-tsaina ao anatin’izany ihany ve ny mahita ireo mpitondra fiara fitateram-bahoaka izay mitrifana fotsiny tsy mahalala izay misy ao aloha fa rehefa itrangan-dozam-pifamoivoizana ? Ho mason-tsoavaly izany no ho paikady hitondrana ity firenena ity ao anatin’izao 1 taona latsaka tsy hahataperan’ny taom-piasan’ny fitondrana HVM izao ary dia toa manamarina ny nambaran’ilay tompon’andraikitra teo aloha, izany hoe hampidi-kizo ny mpandimby azy raha toa ka tsy tafaverina amin’ny toerany intsony. Inona tokoa moa no antony hanapenan’ny tompon’ireo soavaly ny ila-masom-biby fiompiny an-kavia sy an-kavanana raha toa ka mbola hierikerika fa tsy hety hampanaoviny izay tiany atao sy hobaikony araka izay hitiavany azy ? Enga anie anefa mba tsy ho toy ny hazakaza-tsoavaly intsony ny fifidianana amin’ity indray mitoraka ity ?

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Enga anie mba tsy ho…
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Faheno tamin’ny Fitondrana teo

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

Hijery ny tohiny
FTT