Edito

Mihazakazaka mihemotra !


  • Zoma 20 Oktobra 2017

« Mihazakazaka mihemotra raombelona miaro ny ainy tsy ho faty, ka hanosehany ny hafa », hoy ilay mpanakanto malaza iray izay.

Mihorohoro tanteraka tokoa ny Malagasy amin’ity valan’aretina pesta ity, ary tsy misy tsy matahotra mafy ny ainy. Tonga hatramin’ny tsy fifampatokisana mihitsy tsy eny an-dalambe tsy eny anaty fiara fitateram-bahoaka, fa raha vao mikohaka kely somary hafahafa dia efa pesta izay, hoy ny sasany. Ny fanjakana moa dia ny hoe efa voafehy ny pesta no ambara matetika. Ny isan’ny maty kosa mitombo isan’andro, i Madagasikara miha rakotra,… Efa tena raharaham-pirenena izy ity fa tsy raharahan’ny mpitondra ihany, ary efa maro no nanolotra soso-kevitra, toy ny hoe hatsahatra ao anatin’ny 3 andro ny fifamezivezena sy ny asa aman-draharaha, hatambatra amina toerana sy faritra iray ny fitsaboana fa tsy saratsarahana fa vao mainka manaparitaka ny aretina,… Tsy any amin’izany angamba no mahamaika ny mpitondra, fa ny hitady vola be avy any ivelany mba hiatrehana ny pesta. Efa volabe no azo fa mba misy ve ny mangarahara ? Sa mitohy ny fanararaotam-paty ?

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Enga anie mba tsy ho…
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Faheno tamin’ny Fitondrana teo

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

Hijery ny tohiny
FTT