Henjana sy mety hitarika fahafatesana hatrany ny hasarotry ny fiainana any am-ponja noho ny sakafo tsizarizary, fahateren’ny fonja, toeram-pidiovana tsy mendrika ary fitsaboana ara-pahasalamana tsy tomombana.
Ny toe-javatra iainan'ny voafonja dia tsy ny laharam-pahamehan'ny mpanao politika na ny olona manankarena satria tsy mieritreritra ny hitety azy ireo, hoy i Saraha Rabeharisoa. Olana ny fahateren`ny fonjan`Antanimora satria manodidina ny 3700 isa ireo voafonja raha toa ka 800 no zakany ary tsy nisy ihany koa ny fanamboarana na fanatsarana goavana natao, hatramin’ny taona 1896 niorenan’ny fonja. Ny mampalahelo sy mampahonena, hoy izy, ny fisian’ireo ankizikely miara-manefa sazy amin’ny reniny ao an-toerana. Ny ankizy no hoavin'ny firenena kanefa azo inoana fa hisy fiantraikany eo amin'ny fianarany sy ny fitaizany izany ao anatin`ny toeram-pigadrana. Mila mieritreritra ny fitoviana eo amin'ny sazy sy ny heloka bevava, satria mahaliana ny hoavin'ireo ankizy izay migadra any am-ponja. Ny fepetran'ny "reny" voafonja dia tsy maintsy alamina mba hiditra ao amin'ny lalàna mba hiarovana ny hoavin'ny zanany. Manolo-kevitra Rtoa Saraha Rabeharisoa, ny amin’ny tsy hanagadrana an’ireo vehivavy bevohoka sy ireo manan-janaka latsaky ny 10 taona, raha toa ka heloka tsotra sy maivana ihany no vitany. Azo ampanaovina asa mahasoa ny besinimaro, tsy andraisan-karama kosa izy ireny, ho saziny. Ny kendrena dia tsy ny hampianatra ny reny ny amin’izay hataony fa ny hampivoitra kosa ny hasarotry ny andraikitry ny reny manoloana ny fanabeazana ny zanaka nefa kosa mila jerena ny famerenana indray ireo voafonja vehivavy tsy mampidi-doza amin'ny fiainana andavanandro. Tonga nitsidika ny fonjan’Antanimora moa, omaly, Rtoa Saraha Rabeharisoa ary nanolotra vary sy siramamy, ho fandraisany anjara amin’ny fanampiana an’ireo olona misazy ao. Mahakasika ny fonjan`Antanimora, dia maro ireo olana sedraina ao an-toerana toy ny tsy fahazoan-dalan`ireo voafonja mitsabo tena ivelan`ny fonja. Mbola mila fankatoavana avy amin`ny Fitsarana vao azo tanterahina, hany ka mamoy ny ainy tsy fidiny ireo voafonja. Tokony hojeren`ny fanjakana ny hahafahana mametraka fiara mitondra marary any amin`ireny fonja ireny.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.