Karama farany ambany

Nifampidinika ny mampiasa sy ny sendikan’ny mpiasa


  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Notanterahina ny faran’ny herinandro

teo ny dinika momba ny karama farany ambany na SME, izay anisan’ny laharam-pahamehana amin’ny fametrahana ny asa mendrika hoan'ny mpiasa malagasy, hoy ny fampitàm-baovao voaray avy eo anivon’ny Minisiteran’ny asa sy fampananan’asa. Anisan'ny dingana iray manan-danja alohan'ny hamolavolàna ny didim-panjakàna mamaritra ny karama faran'ny ambany ity fivoriana ity, hoy ny fanazavàna. Ny fitarihana ny fivoriana dia noraisin'ny fitantanana ankapoben'ny asa na DGT sy ny fitantanana ny asa sy ny fampiroboroboana ny zo fototra na DTPDF. Nandray anjara feno tamin’izany ny solontenan’ny sendikan’ny mpiasa sy ny fikambanan’ny mpampiasa ho fanehoana ny maha zava-dehibe ny dinika ara-tsosialy. Tanjona ny ahitàna marimaritra iraisana mikasika ny famaritana ny sandan’ny karama farany ambany ho an’ny taona 2026, amin’ny fijerena ny tombontsoan’ny mpiasa sy ny fahafahan’ny orinasa. Natao ihany koa ny adihevitra lalina nahafahan'ny rehetra nizara ny hevitra sy fomba fijery samihafa. Fehin'ny dinika natao dia nisy ny tolokevitra iraisana avy any amin'ny sendikan'ny mpiasa natolotra ho an'ny mpampiasa izay neken'ireto farany hodinihana. Antenaina ny hisian’ny marimaritra iraisana ho tombontsoan’ny mpiasa malagasy, hoy hatrany ny fampitàm-baovao voaray. Nangonin’i J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

  • Tataho Manakara
  • Talata 22 Septambra 2026

Nahazo trano fonenana sosialy

  • FIANAKAVIANA
  • Talata 22 Septambra 2026

MAY TRANO TAO MAROVOAY

Hijery ny tohiny
FTT