Raha ny fandehan’ny raharaha
rehetra hatramin’izay nijoroan’ny governemanta izay no ambara, hoy ny mpahaifiarahamonina politika, Paul Rabary, dia azo lazaina hoe matoky tena ny fitondràm-panjakàna. Sahy miatrika ny fihetsehan’ireo tanora, hoy izy, ary ireo tanora koa tapa-kevitra tanteraka amin’ny hetsika ataony ho fitakiana fiovàna marina eto amin’ny firenena. Niaraha-nahita ny tranga nisy tato ho ato. Teo ny fiantsoana ireo raiamandrenibe eto amin’ny firenena tahaka ny Jeneraly Ramakavelo, izay nanaovana fanadihadiana nanoloana ny fanohanany ireo tanora. Mihetsika ny Gen Z, indrindra anivon’ny tambazotran-tserasera. Matanjaka izy amin’ny lafiny serasera an-tambazotran-tserasera fa eo koa ny serasera iraisampirenena satria raisin’ny mpanao gazety rehetra manerantany izao ny hetsiky ny Gen Z. Misy mbola tokony jerena lalina ny raharaham-pirenena mialohan’ny fikaonandoham-pirenena! Aiza marina ny anjaran’ny FFKM anatin’io? Fikaonandoha karakarain’ny fanjakàna ho tombontsoan’ny fanjakàna fotsiny ve no atao sa hiantsoana ny vahoaka rehetra? Rehefa miresaka vahoaka dia tafiditra ao izay ny ankolafin-kery samihafa monina eto Madagasikara. Aiza ho aiza ny tanjon’i Madagasikara fa toa ohatran’ny lasa fikaonandoha ao amin’ny CCI Ivato fotsiny ilay izy? Miandry ny any amin’ny faritra samihafa, ny distrika mba hoe hahazo faka ilay fikaonandoha. Tokony hazava tsara ny fandraisan’andraikitry ny rehetra miainga avy any amin’ny fokontany, mandalo kaominina, distrika, faritra. Tena mahasolo tena ireo tanora tokoa ve ireo nandray anjara tamin’ny fikaonandohan’ny tanora? Efa nanao fikaonandoha isika teto ary misy traikefa tokony raisina. Anatina fiarahamonin-tserasera isika, misy serasera be dia be efa azo atao izao anatin’io Facebook io. Tokony hampiasaina be hametrahana ny tokony ho fizotrin’ny fikaonandoha ny Facebook. Indraindray ohatrany variana amin’ny endrika ivelany fotsiny isika. Be dia be koa izao no manontany hoe aiza ho aiza no ahafaha-mametraka ny tondrozotra idirana any amin’ny fifidianana? Fifidianana ihany no ahafaha-mametraka mpitondra eto amin’ity firenena ity. Tranga manokana ny hoe nandositra ny mpitondra teo aloha dia lasa nandray andraikitra izy 5 mirahalahy. Fandraisana andraikitra anatina fotoana voafetra sy ifanarahana nefa ny azy ireo fa tsy hoe mandrakizay. Eo no tokony ilàna fifampidinihina mba tsy ho alaim-panahy hihevitra ny tenany ho efa voafidy ny olona tsy voafidy. Ny governemanta mijoro dia tokony governemanta hitondra any amin’ny fifidianana fa tsy lasa hitondra fampandrosoana. Lasa governemanta efa mametraka vina samihafa tsy mifanaraka amin’ny hetahetam-bahoaka no hanjary hitranga nefa ilay vahoaka tsy namaritra afa-tsy resaka jiro sy rano. Izay aloha no nitolomany. Efa milamina ve ireo? Fifidianana eken’ny rehetra, tsy mitanila, anaty mangarahara tanteraka no andrasana. Ny olana teto amin’ny firenena dia nolazaina fa fitondràna mitanila foana izay fitondràna nikarakara fifidianana. Mba ialàna amin’izay dia apetraho dien’izao ny rafitra tsy mitanila! Atao izay hampitovy ny herijikan’izay milatsaka ho fidiana rehetra fa raha tsy izany dia tsy hisy akory ny fanavaozana sy fiovàna fa mitovy amin’izay efa nandalo teto amin’ny firenena rehetra hatramin’izay ihany, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.