HONORAT FOU HEHY

Niainga omaly hariva hiazo


  • Alakamisy 16 Aprily 2026

an'i Inde hodidiana

Tena mbola ao anatin'ny tsy fahasalamana tanteraka i zokibe Honorat ao anatin'ny tarika Fou Hehy. Omaly Alarobia 15 Aprily hariva izy no niainga niazo an'i Inde hiatrika fandidiana rehefa noraisina an-tanana nandritra ny fotoana fohy tao amina Hopitaly iray teto an-drenivohitra. Raha tsiahivina kely dia ny aretin' ny fo sy ny voa no mahazo an'ny zokibe Honorat. Mangataka vavaka amin'ny rehetra izy noho izany mba ho vita fandidiana soa aman-tsara ary hahazo fahasalamana tanteraka. Tsiahivina moa fa mbola hitôhy mandritra ity faran'ny herinandro ity ireo karazana hetsika sy fampisehoana entina hitadiavam-bola hanampiana ny zokibe Honorat. Anisan'izany ilay hotontosaina ao amin'ny Food court La City Ankorondrano hiarahana amin'ny RDJ 's Team. Amin'ny Zoma ho avy izao no hanatanterahana io soirée io manomboka amin'ny 09 ora alina tsy diso hiarahana amin'ny Melo j, gova, jaytaxx...
Pati
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

  • Tataho Manakara
  • Talata 22 Septambra 2026

Nahazo trano fonenana sosialy

  • FIANAKAVIANA
  • Talata 22 Septambra 2026

MAY TRANO TAO MAROVOAY

Hijery ny tohiny
FTT