Manaraka ho azy ny

vahoaka rehefa mety ny atao !


  • Alarobia 22 Aprily 2026

Tsy misy tsy maniry izany fiovana sy

fanovana izany ny Malagasy tsirairay, ary efa ela no naniriana hiala teo ambany gajan’ny fahantrana sy ny fahalovana, saingy mbola ao anaty ady isika amin’izao fotoana izao. Ekena, tsy takona hafenina sy tsy azo hamaivanina ireo ezaka sy dingana vita sy ny fanamby mbola mitohy. Taiza sy oviana tokoa ohatra no nisy Fanjakana nahavita nampiakatra 14% ny karaman’ny mpiasam-panjakana tao anatin’ny roa na telo volana raha tsy tamin’ity na inona na inona tao ambadik’izany ? Nahavita nanome tambiny ny mpiasam-panjakana, nahavita namaha na tamin’ny ampahany ihany aza ny delestazy fa somary miverina moa ny olana ankehitriny, nahavita nametraka herinaratra mahaleotena teny amin’ny oniversite,… Na izany aza, tsy azo atao ny mijery arina an-tava, tsy fanao ny misioka raha tsy tena tafavoaka ny ala,… Toa mampanahy ihany mantsy amin’ny lafiny iray ireo fomba amam-panao ratsy teo aloha. Miverina ny tazom-pahefana ho an’ny manam-pahefana sasany, hany ka tsy maina akory ny ravina nihinanana dia efa mivaona. Miverina ny fanasohasoana tsangan’olona, ny fisolelahana be fahatany, ny tsy fahazakana vahoaka vory,… hany ka misy ireo toa miteniteny foana. Ekena fa mety fanohanana amin’ny fomba mahitsy ho an’ny Filoham-panjakana, kanefa mila mandinika sy mahatsapa ihany koa ny mpanao politika, fa tian’ny olona ho azy sy tohanan’ny vahoaka amin-kitsim-po foana ny mpitondra Fanjakana rehefa tsapany sy hitany fa tena mamaly ny hetahetam-bahoaka sy tena araka ny tokony ho izy ny fomba fitantanana. Tsy ilàna minisitra na olona ambony hisolelaka sy hitehaka, fa rehefa mety sy mahomby io manaraka ho azy ny Malagasy !
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Isika ihany!
  • Talata 21 Aprily 2026

Mila fifanampiana ny fiainana,

  • Mila paikady matotra
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nanaitra ary avy eo nahasosotra

  • Edito
  • Zoma 17 Aprily 2026

Kajy politika!

  • Ezaka iombonana
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Na tiana na tsy tiana moa izany

  • Lany andro mifanasa vangy!
  • Talata 14 Aprily 2026

Henjakenjana ny karazana

  • Milentika any
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

am-parahatoka ny mpitondra!

Hijery ny tohiny
FTT