Sosialy

Hain-tany mahatsiravina 100 Ariary ny rano iray zinga any Androy


  • Alarobia 19 Febroary 2020

Rano iray zinga na lovia tsatokaty vidiana 100Ar any Androy, raha 2000Ar ny 20 litatra.

 

 

 

Ahiana ny hisian'ny Kere mafy any an-toerana sy ny tsy fanjarian-tsakafo. Ny sampandraharaha Iraisam-pirenena momba ny sakafo sy ny fambolena (FAO) dia namoaka tatitra ny 10 febroary teo, fa olona hatrany amin’ny 730 000 no ho tandindonin-doza amin’ny tsy fanjarian-tsakafo mahery vaika any Atsimo hatramin’ny volana martsa izao. Faritra roa no tena ho lasibatra satria efa am-bolana izay maro no tratry ny hain-tany mahery vaika. Ny hain-tany no miteraka fatiantoka hatrany amin’ny 75% ho an’ny fambolem-bary. Lasibatra ihany koa ny fambolena katsaka sy mangahazo. Mahatratra hatrany amin’ny 60% amin’ireo kaominina ny tahan’ny fifindra-monina sy fitsoahana ny hain-tany ary ny hanoanana amin’izao fotoana izao. Tsy nahomby ve ny fitarihan-drano natao, izay nosantarin’ny fanjakana Rajaonarimampianina, ary ny fanjakana ankehitriny no nitokana azy ? Efa an-jatony taona ny olana any Atsimo, saingy tsy tena misy ny vahaolana maharitra. Hatreto, tsy misy politikam-pienena mahomby mamaha ny olana. Ny vahiny no tena taitra sy miditra an-tsehatra, toy ny UNICEF izay miditra an-tsehatra amin’ny fizarana ireo fanampiana amin’ny maha olona. Asa tsy fahatokisana ny Malagasy amin’ny fanodinkodinana ve fa saika izay hatrany matetika no hita any Atsimo rehefa misy ny fanampiana. Na izany aza dia andrasana indray ilay tetikasa fananganana orinasa mpamokatra sakafo iarahan’nyfanjakana Malagasy amin’ny orinasa Malaza Nutriset.

Toky R

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • KAOMINÎNA TALATAMATY
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

Tantsaha an-jatony nahazo tohana

  • ANDRAVOAHANGY
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Hitadiavana vahaolana maharitra ny ranobe mandavan-taona

  • Karama farany ambany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nifampidinika ny mampiasa sy ny sendikan’ny mpiasa

  • Faritra Atsimo Andrefana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Hisitraka rafitra famatsian-drano miisa 168

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

  • HONORAT FOU HEHY
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Niainga omaly hariva hiazo

Hijery ny tohiny
FTT