Sosialy

Fanotana vola vaovao Tsy nahatsara ny toekaren’i Madagasikara hatreto


  • Alatsinainy 20 Janoary 2020

Tokony hiankina amin’ny zava-misy amin’ny firenena ny famoronana na fanafoanana vola mivezivezy.

 

 

 

 Raha ny teto Madagasikara dia saika nanota vola foana ny fitondram-panjakana nisesy. Asa raha hamoaka vola vaovao na hanafoana ny taloha ity fitondram-panjakana misy amin’izao fotoana izao ity ?

Sondro-bidim-piainana

Tsy nitondra tombony tamin’ny toekarena mihitsy aloha hatreto ny nisian’ny 20 000 Ariary mitambatra nivoaka farany. Ireo mpanambola no mahazo vahana satria milaza ny ankamaroan’izy ireo fa vitsy kokoa ny isan’ny ravim-bola amin’io vola mitambatra io hiadiana amin’ny asa ratsin’ny tontakely. Ny sarambabem-bahoaka no mijaly amin’ny fampiasana io vola vaventy io. Ankoatra ny fahasahiranana amin’ny fitadiavana vola madinika hamerenana mantsy dia mainka nisy hatrany ny sondro-bidim-piainana teto amin’ny firenena. Raha vao miakatra ny vola mitambatra dia hita ho mihena ny sandam-bolan’ny Malagasy satria tsy mba nisy arofanina ihany koa nampiarahana tamin’ireny fanapahan-kevitra ireny. Lasa fisehosehoana ara-politika ny fanotana vola vaovao fa tsy misy fijerena ny akon’izany amin’ny lafiny ara-toekarena.

Tokony hifamatotra amin’ny toekarena

Raha ny firenena mandroso sy an-dalam-pandrosoana tany ivelany dia saika mifamatotra tamin’ny toekarena avokoa ny fanapahan-kevitra nanotana vola vaovao sy ny nanafoanana vola teo aloha. Ny tany India, ohatra, dia nampitsahatra tsy hivezivezy intsony ny vola  500 sy ny 1000 ropia tamin’ny novambra 2016 mba hiadiana amin’ny halatra ara-ketra ary ho fampiroboroboana ny fikirakirana ny vola anaty finday (money banking). Tahak’izany ihany koa ny tamin’ny volana mey 2016, izay nanapahan’ny banky foibe eoropeanina hevitra hanajanona ny vola 500 Euros mitambatra noho ny fahatahorana ny amin’ny mety ho fahalanian’io vola io ka hampiroborobo ny asa na sehatra tsy ara-dalàna. Ny famoronana vola vaovao 20 000 francs tamin’ny taona 2015 tany Guinée kosa dia noeritreretina hitondra vokatra tsara saingy niteraka fidanganan’ny vidim-piainana ary nampihena ny vola vahiny niditra. Nisy anefa ny fanapahan-kevitra noraisina haingana namahana ny olana tany. Efa mitovy ny tany Guinée no mahazo ny firenena ny amin’izao vidim-piainana miakatra mandrakariva izao saingy ny maha samy hafa azy ny teto Madagasikara tsy mbola nahitana vahaolana mahomby mihitsy hatreto ny sondro-bidim-piainana. Ary ny mampatahotra aza dia sao dia misy manampahefana sasany alaim-panahy amin’ireny fanotana vola ireny ny hanangona fotsiny hatanterahana ny propagandy rahatrizay ???

 

Tsirinasolo

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • KAOMINÎNA TALATAMATY
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

Tantsaha an-jatony nahazo tohana

  • ANDRAVOAHANGY
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Hitadiavana vahaolana maharitra ny ranobe mandavan-taona

  • Karama farany ambany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nifampidinika ny mampiasa sy ny sendikan’ny mpiasa

  • Faritra Atsimo Andrefana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Hisitraka rafitra famatsian-drano miisa 168

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

  • HONORAT FOU HEHY
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Niainga omaly hariva hiazo

Hijery ny tohiny
FTT