Raharaham-pitsarana

Hampodiana eto Madagasikara ilay


  • Alakamisy 05 Novambra 2026

nikasa handoro fonja ?

Ny 23 oktobra 2026 lasa eo no nosamborin’ny Criminal Investigation Division tao flic-flac nosy Maorisy i Sokataly Shemir raha iny izy nitondra fiara niaraka tamina vehivavy malagasy iray lehibe orinasa eto Madagasikara. Namoahan’ny fitsarana malagasy didy fampisamborana iraisam-pirenena ity teratany karana mizaka ny zom-pirenena malagasy sy frantsay ity ka izay no nisamboriana azy tsy nisy adihevitra. Ahiana ho nikotrika fandorana ny fonjaben’i Tsiafahy sy fampitsoahana voafonja tao izy ity, ary misy vehivavy Malagasy iray monina any eoropa ahiana ho miray tendro aminy.Anton’ny fameranana an’i Sokataly Shemir eto Madagasikara ny hanohiazana ny fanadihadiana atao aminy sy hitsarana azy satria teto moa izany no saika nanaovana ny heloka. Efa misy iraka any Nosy Maorisy amin’izao fotoana izao, izay ahitana Mpitsara Malagasy, Polisy mpanao famotorana ara-pitsarana ary solontenan’ny Minisiteran’ny Fitsarana Malagasy , hanohana ny fangatahana famerenana azy eto Madagasikara sy hanolotra ireo antontan-kevitra ilaina amin’ny fandinihana ny raharaha. Miankina tanteraka amin’ny fanapahan-kevitry ny fitsarana maorisiana anefa nymety ho tohin’ny raharaha hoe hamela ny fampdiana an’i Sokataly Shemir aty Madagasikara ve izy ireo sa tsia.Hatreto aloha dia tsy misy antony tokony hitazonana azy maharitra ao Maurice satria tsy hoe nanao heloka na nandika lalana tao izy fa fampiharana ilay didy fampisamborana iraisam-prenena navoakan’ny fitsaana avy eto madagasikara no antony nisamborana azytamin’io 23 oktobra 2026 io.
RTT
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • FIRENENA
  • Alakamisy 05 Novambra 2026

TENA STRATEJIKA

  • SENDIKA
  • Alakamisy 05 Novambra 2026

MITAFA feno 5 taona

  • Fihaonambe
  • Alakamisy 05 Novambra 2026

iraisampirenena

  • Fanadihadiana
  • Alarobia 04 Novambra 2026

parlemantera ny Jirama

  • Famonoana
  • Alarobia 04 Novambra 2026

an’i Raissa

  • Fandripahana ala
  • Alarobia 04 Novambra 2026

Hazo 278 tratra tany

Hijery ny tohiny
FTT