Fakan-kevitra

momba ny fifidianana Havoaka ofisialy


  • Alarobia 04 Novambra 2026

amin’ny herinandro ambony

Hotanterahina ny 09 sy 10 novambra 2026 eny amin’ny Centre de Conférences Internationales (CCI) Ivato ny fanolorana amin’ny fomba ofisialy ny vokatry ny dinika fakan-kevitra momba ny fanomanana ny fifidianana, izay notarihin’ny Filohan’ny Fanavaozana ny Repoblikan’i Madagasikara ny 01 ka hatramin’ny 08 septambra lasa teo, teny amin’ny Lapam-panjakana Iavoloha. Tanjona amin’ity fihaonana andiany faharoa ity ny handravonana sy hanolorana ireo soso-kevitra rehetra natolotr’ireo antoko politika, fiarahamonim-pirenena, fikambanana ary hery velona samihafa nandray anjara tamin’ny dinika voalohany, raha ny filazam-baovaon’ny Fiadidian’ny Repoblika. Ireo tolo-kevitra ireo no isan’ny fototra handinihana ny fomba sy ny fepetra hanomanana ny fifidianana hotanterahina eto Madagasikara amin’ny taona 2027. Asain’ny Fiadidiana ny Fanavaozana handray anjara amin’ity dinika faharoa ity ireo antoko sy vondron’antoko politika, fikambanana ary fiarahamonim-pirenena rehetra nandray anjara tamin’ny fihaonana voalohany. Manomboka ny alakamisy 05 novambra eny amin’ny Lapam-panjakana Ambohitsorohitra ny fandraisana ny fanasana, ka takiana ny fanolorana taratasy fanamarinana ny fandraisana anjara tamin’ny dinika natao ny volana septambra. Raha hiverenana, efa misy ny vinavina napetraky ny Fanjakana tao anatin’ny « Programme de la Refondation de la République », natolotra ny Vondrona SADC ny 28 febroary 2026. Voalaza ao fa vinavinaina ho eo anelanelan’ny volana mey sy jolay 2027 ny fitsapan-kevi-bahoaka momba ny Lalàmpanorenana, raha kasaina hotanterahina alohan’ny faran’io taona io kosa ny fifidianana filoham-pirenena. Efa nisy ihany koa ny fanazavana nomen’ny filohan’ny Vaomieram-pirenena misahana ny fifidianana (CENI), Thierry Rakotonarivo, ny 08 mey 2026. Araka ny vinavina nambarany tamin’izany, dia amin’ny volana jona 2027 no hanatanterahana ny fitsapan-kevi-bahoaka, ary amin’ny volana oktobra 2027 kosa ny fifidianana filoham-pirenena. Notsindriany anefa fa vinavina ireo daty ireo fa ny Governemanta no tompon’ny fanapahan-kevitra farany momba ny tetiandro. Nanamafy ny fahavononan’ny Fanjakana amin’ny fanatanterahana ireo fifidianana ireo ihany koa ny Minisitry ny Atitany sy ny Fitsinjaram-pahefana, Tiaray Rakotonandrasana, nandritra ny fanolorany ny tatitra momba ny asa vitan’ny minisiterany, ny 02 novambra teo. Nambarany fa efa vonona amin’ireo dingana ara-pifidianana samihafa ny fitondrana ary efa natokana ho an’ny CENI ny tetibola hanatanterahana izany. Nohamafisiny manokana fa aorian’ny fahavitan’ny fikaandoham-pirenena no hanatanterahana ny fitsapan-kevi-bahoaka momba ny Lalàmpanorenana. Nandritra ny fandaharana manokana tao amin’ny Televiziona Malagasy (TVM) ihany koa, dia nanamafy ny minisitra fa vonona amin’ny lafiny ara-bola sy ara-pitaovana ny Fanjakana amin’ny fanatanterahana ny fifidianana amin’ny taona 2027. Nambarany fa efa tafiditra ao anatin’ny fandaharan’asan’ny Governemanta ny fanomanana izany, ka isan’ny porofo ny tetibola natokana ho an’ny CENI. Etsy ankilany, mbola miankina amin’ny fizotry ny fikaonandoham-pirenena sy ny fanapahan-kevitra horaisin’ny tompon’andraikitra ny famaritana ny tetiandro raikitra. Ny vokatry ny dinika nasionaly no handrafetana ny volavolan-dalàmpanorenana vaovao izay hatolotra ny vahoaka amin’ny alalan’ny fitsapan-kevi-bahoaka. Andrasana ny fivoarany…
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fialan’ny Minisitry
  • Alarobia 04 Novambra 2026

ny MNDPT

  • Alain Mahavimbina
  • Alarobia 04 Novambra 2026

«Firenena manana politika

  • Governemanta
  • Alarobia 04 Novambra 2026

Niala ny Minisitry ny

  • Vita ny
  • Talata 03 Novambra 2026

fanomanana ny Fikaonandoham-pirenena

  • FENO HERINTAONA
  • Talata 03 Novambra 2026

NY FANAVAOZANA

  • Lisi-pifidianana
  • Talata 03 Novambra 2026

Azo ampiasaina

Hijery ny tohiny
FTT