Paositra sy ny fifandraisan-davitra
Nametra-pialana noho ny antony ara-pahasalamana ny Minisitry ny Fampiroboroboana ny Haitao ara-kajy mirindra, ny Paositra sy ny Fifandraisan-davitra na ny MNDPT Atoa Mahefa Andriamampiadana. Neken’ny Filohan’ny Fanavaozana ny Repoblika izay Lehiben'ny Fitondram-panjakana io, araka ny Didim-panjakana laharana faha 2026 2426 omaly 03 novambra 2026. Nekena ny fametraham-pialany noho ny antony ara-pahasalamana ka tsy ahafahany manohy intsony ny andraikiny, araka ny vaovao ofisialy. Notendrena kosa ny Minisitry ny Fampianarana Ambaratonga Ambony sy ny Fikarohana ara-tsiansa Atoa Pr Ravonimanantsoa Ndaohialy MandaVy hisahana vonjimaika ny MNDPT, mandra-panendrena izay ho solony. « Nisy fiandohana ary misy fiafarana ny zava-drehetra », hoy io Minisitra nametra-pialana io, raha nampahafantatra ny fanapahan-keviny. Nampahatsiahy hoe : « herintaona lasa izay, feno fanantenana sy finiavana ny foko, raha nandray ny andraikitra hanompo ny Tanindrazana. Mbola maro ny zavatra nirina hatao, mbola maro ny zavatra kinasa. Saingy fotoam-bita tsy mahaleo ny sampona. ». Efa nilaza aho, hoy izy, tany am-piandohana fa raha tonga ny fotoana tsy hahafahako manohy amin'ny atsakany sy andavany, dia hahay hamindra ny andraikitra amin’ny hafa. « Tsy lavorary ny vita, fa natao tamim-pitiavana sy tamin’ny fo manontolo », hoy izy izay nankasitraka ny Filohan'ny Fanavaozana sy ny Praiminisitra tamin'ny fitokisana sy ny fahafahana nomeny, nisaotra ireo rehetra niara-nizotra taminy, nanohana, nanoro hevitra, ary na dia ireo nitsikera aza. « Voninahitra lehibe ho ahy ny nanompo an’i Madagasikara. Mifarana eto ny andraikitro, fa tsy mifarana ny fitiavana ny Tanindrazana. Tsy dia fahita firy ny Minisitra na olona ambony manao tahaka izao eto amintsika.
TOMBAN’EZAKA
Mandra-pihaona indray », hoy i Mahefa Andriamampiadana namarana ny teniny. Nialoha ny fanambarana ofisialy moa, dia nisy ny karazana tomban’ezaka navoakan’ny MNDPT. Navoitra fa nifantoka amin’ny fanavaozana ny fitantanan-draharaham-panjakana amin’ny alalan’ny teknolojia ny ezaky ny Ministera. Eo amin’ny aterineto, efa mahatratra 94% ny fandrakofana tambajotra 4G, ankoatra ny fametrahana Wi-Fi maimaim-poana eny amin’ny Oniversite sy ny fanamafisana ny fotodrafitrasa nomerika. Eo koa ny fanatsarana ny kalitaon’ny tolotra sy ny fampiharana didim-panjakana hiadiana amin’ny mpanifa. Teo amin’ny fitantanan-draharaha, sampan-draharaha 26 no efa miandry fanavaozana, ary rafitra nomerika 47 an’ny Fanjakana no voatohiry ao amin’ny Data Center National. Tafiditra amin’izany ny fananganana fahiziana ara-kajy mirindra, ny taratasy fanamarinam-pahatongavana nomerika ary ny fiomanana amin’ny loza voajanahary (BNGRC-MNDPT). Hatramin’ny Septambra 2026, Solosaina 2600 sy tablettes 200 nozaraina ho an’ireo sampan-draharaham-panjakana. Eo amin’ny fanomezana lanja ny tanora, « hub numérique » 6 no napetraka ao amin’ny Oniversiten’i Barikadimy, mpianatra 3500 no nahazo fiofanana GEZANI, ary tanora 235 no efa nahazo fiofanana tamin’ny alalan’ny ASANAI. Mahatratra 664 000 kosa ny finday moravidy lafo, miaraka amin’ny tetikasa Smart Village, Smart City Nosy Be ary lalàna momba ny ady amin’ny heloka an’habaka. Eo amin’ny Paositra Malagasy, fotodrafitrasa 13/21 no nambaranina na nohavaozina, nisy ny fiaraha-miasa vaovao amin’ny DHL, ary tanora 30 ho mpanara-maso ny asa sy 60 ho mpiasan’ny Paositra no ao anatin’ny fandaharanasa fanofanana. Ankoatra izany, mpiasa 263 no efa nahazo fanamafisana ara-piasana (régularisation), ary toerana 20 (postes budgétaires) no azon’ny MNDPT tamin’ity taona ity. Fanamby ny hananganana an’i Madagasikara nomerika, maoderina ary misokatra ho an’ny rehetra, ka ny vahoaka no hisitraka mivantana ny tombontsoa entin’ny teknolojia,… Departemanta isan’ny stratejika ny MNDPT, misy lafin-javatra nanahirana ireo minisitra nifandimby toy ny resaka tolotra finday, internet,… avy amin’ireo orinasa matanjaka.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.