Politique

Toeran’ny minisitry ny fitsarana Mampiaka-peo ny biraon’ny SMM


  • Alarobia 16 Novambra 2011

Mampiaka-peo ny biraon’ny SMM manoloana ny ady seza ifanaovan’ny vondrona sy ankolafy samihafa momba izay olona hitana ny andraikitry ny minisitry ny fitsarana sy mpitana ny tombokasem-panjakana.

 Araka ny siosion-dresaka ren’izy ireo mantsy dia am-polony ireo kandida mifaninana amin’io toerana io. Tsy hanaiky mora foana anefa ny SMM izay efa nametraka fepetra hentitra momba izay tokony ho toetoetry ny minisitra araka ny tapaka nandritra ny fivoriambe tsy ara-potoana notontosain’ny mpitsara ny 14 oktobra lasa teo. Mahafantatra ireo fitakiana ireo ny praiminisitra Beriziky izay efa nihaona in-telo misesy tamin’ny biraon’ny SMM. Mpitsara grady voalohany, manana traikefa sady mahafantatra ny raharaham-pitsarana sy ny olana misy ao aminy, manaja ny fahaleovantenan’ny mpitsara, tsy manana fiandaniana, tsy hanaraka ny baikon’ny vondrona nanolotra azy ary koa vonona hametraka ny fitoniana no minisitra andrasan’ireo mpitsara. “Araka izany dia mila midinika aminay aloha izay mihevitra ho minisitra eo sao sanatria mitady hanao fitaovana ny fitsarana indray ka hanafaka olona na hanome baiko hanagadra olona ”, hoy i Auguste Renaud, filohan’ny SMM. Raha ny nambarany ihany anefa dia kandida telo monja amin’ireo am-polony no efa nihaona tamin’ny biraon’ny SMM mivantana izay samy mahafeno ireo fepetra avokoa. Mampitandrina ny praiminisitra sy ny filohan’ny FAT, araka izany, ny sendikan’ny mpitsara mba hanaja ireo fepetra takiany ireo. Mandrahona ny hanatanteraka hetsika ny mpitsara raha mivaona amin’izay ny fanapahan-kevitra raisin’ireto farany.

Yves

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

  • ZAZA RAMANDIMBIARISON
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Tsy tokony ho tara ny

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

Hijery ny tohiny
FTT