Miroso hatrany amin’ireo asa
fampandrosoana tokony hotanterahina eto amin’ny tany sy ny firenena ny Fitondrana Fanavaozana na dia vao 12 volana monja aza no nandraisany ny fitantanana. Mila mianatra mandeha irery isika hoy ny mpanolontsaina avon’ny fanavaozana ny kolonely Andriamiharintsoa Gervais fa tsy hiandry ny sitrapon’ny mpamatsy vola. Noraisiny ohatra fa 10 taona aty aoriana foana ny vola omen’izy ireny ireo Firenena mangataka fanampiana aminy vao mivoaka noho ny hasarotan’ny fikarakarana ireo karazana antontà-taratasy ilaina amin’ireo tetikasa goavambe. Tsy afaka hiandry izany isika hoy izy. Nataony ohatra velona ny fanapahan-kevitra noraisin’ny mpitondra hanamboarana ny lalam-pirenena RN1 bis hiarahana amin’ny miaramila. Izaho isika mahavita manamboatra lalana hoy izy no sady afaka mitrandraka goudron. Tsy hijanona hatreo ny ezaka raha araka ny nambarany. Hitohy amin’ny asa fanamboarana ny lalana any amin’ny distrikan’ Ikongo izany. Hatreto mantsy dia mbola miaina vidin’entana midangana hatrany ireo mponina any an-toerana vokatr’izay haratsian-dalana izay. Lasa vidiana 100.000 Ar ny iray gony amin’ny saribao raha 30.000 Ar ao Fianarantsoa. Hamboarina ihany koa ny lalana mampitohy ny distrikan’Ihosy amin’i Farafangana. Nomarihin’ny kolonely Gervais Andriamiharintsoa moa fa mila mifanampy sy mifanome tanana isika Malagasy no sady manomboka fa tsy hiandry ny hafa foana vao hanao zavatra.
Pati
Legende : Ny kolonely Gervais Andriamiharintsoa, Mpanolontsaina Avon’ny Fanavaozana !
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.