teto, nofy ratsy ho azy mianakavy…
Naneho ny heviny ampahibemaso nandritra ny resadresaka nataony tamin'ny mpanao gazety Jimmy Jean Louis, omaly tany Nosy Maurice, Ramatoa Haingo Ravatomanga, vadin'i Mamy Ravatomanga, ka nilaza fa misy fotoana hanginanana, ary misy fotoana hitenenana. Mazava ho azy, fa nilaza ho « victime » na ianjadian’ny tsy rariny. Nambarany fa tsy vao sambany no iharan'izy mivady fiampangana sy raharaha ara-pitsarana mifandraika amin'ny anarany. Araka ny filazany, efa tamin'ny taona 2015 no nisy fitoriana napetrak'Atoa Rahajason Harry Laurent na Rolly Mercia , izay talen'ny seraseran'ny Fiadidiana ny Repoblika amin'izao fotoana izao. Fiampangana momba ny fanadiovam-bola sy fanondranana « bois de rose » no voalaza fa nentina teny anivon'ny fitsarana tamin'izany. Nambarany fa naharitra fito taona ny fanadihadiana nefa tsy nisy tohiny taty aoriana. Raha hiverenana amin’ny ankampobeny anefa ny raharaha, dia nogadraina sy nofitahina hanaisotra ny fitoriana sy fijoroana vavolombelona i Rolly Mercia mba ho tambin’ny fanafahana azy, kinanjo vao mainka nalentika avy eo. Tsy afa-bela raha tsy niongana ny fitondrana Rajoelina. Nilaza ihany koa Ramatoa Haingo Ravatomanga fa inoany fa misy ambadika politika ny raharaha mahazo azy ireo. Araka ny nambarany dia nifandray tamin'ny fahavononan'ny vadiny handray andraikitra ara-politika izany toe-javatra izany. Mikasika ny fialan'izy ireo an'i Madagasikara tamin'izany fotoana izany, dia nambarany fa ny Praiminisitra Christian Ntsay mihitsy no niantso sy nilaza fa tandindomin-doza ny aina ka tsy maintsy niainga haingana izy ireo. Raha ny fitantarany, dia fotoana fohy dia fohy, atsasak'adiny monja, no nanomanana ny fiaingana. Nohazavainy fa efa nipetraka tany Maurice ny zanany vavy ka antony iray nanosika ny fianakaviana hisafidy io firenena io ho toeram-ponenana. Efa 30 taona eo ho eo ihany koa no niasany sy niainany tany an-toerana. “Mahatsiaro ho voaaro izahay eto,” hoy izy, sady nilaza fa nisy ny ezaka fanaratsiana sy fanimbana endriny natao tamin'ny vadiny nandritra ireo raharaha samihafa nolalovany. Nambarany koa fa tany Maurice no niandohan'ny fotoan-tsarotra teo amin'ny fianakaviana. Efa nisy ny fisavana nataon'ny manampahefana, nitadiavana valizy sy vola, saingy tsy nahitana izay notadiavina. Notsindriany fa teny ambony fandrianan'ny hopitaly ny vadiny noho ny aretim-po no tonga ny fisamborana azy, ka teo no niaingan’ny nofy ratsy na « cauchemar ». Mazava ho azy, fa miezaka maneho fa fanenjehana politika no mahazo azy ireo Rtoa Haingo Ravatomanga, izay nilaza 11 volana lasa izay fa tsy misy hidirany ireo raharaha rehetra mahakasika ny vadiny. Fijeriny sy firesany moa iny saingy tena mifandraika amin’izay ve ny nataon’izy ireo teto Madagasikara ? Tena tsy mitombina ve ireo fiampangana maro be mikasika afera goavana, fanararaotana sy heloka ara-toekarena sy ara-bola,… Tena tsy nisetrasetra ara-politika sy ara-toekarena ? Eo ireo vesatra mahasaringotra an’Atoa Mamy Ravatomanga kanefa na Ramatoa vadiny ihany koa aza voatonontonona ho naka vola 7 miliara Ar tao amin’ny CNaPS ka tena tsy manan-tsiny tokoa ve ? Anjaran’ny fitsarana ny mitsara fa fampahatsiahivana no atao !
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.