fanatanterahana ny fikaonandoha nasionaly
Efa natomboka ny Fikaonan-doha Nasionaly ho amin’ny Fanavaozana. Dingana lehibe ho an’ny firenena izy ity, satria tokony hahafahan’ny vahoaka miteny, mihaino sy mifampidinika momba ny hoavin’i Madagasikara. Saingy misy teboka iray mila vahana haingana, hoy i Zaza Ramandimbiarison dia ny fahazoana ara-potoana ny vola ilaina amin’ny fanatanterahana ny Fikaonan-doha. Mila vola ny fivezivezena, ny fivoriana eny ifotony, ny fampahafantarana ny vahoaka ary ny fanangonana ny hevitra avy amin’ny faritra rehetra. Nampatsiahiviny fa efa natolotra teo anivon’ny Primatiora ny teti-bola ilaina. Koa antenaina fa ny Primatiora, ny Komity Teknika ary ny Minisiteran’ny Fitantanam-bola dia hiara-hanao izay hahafahan’ny vola voatokana ho an’ny FFKM sy ny « Coordination générale de la Concertation Nationale » ampiasaina haingana.Tsy resaka fitadiavana izay homen-tsiny izao. Resaka fiarovana ny fahombiazan’ny dingana iray izay iankinan’ny fitokisan’ny vahoaka.Raha mitohy ny fahatarana, dia mety hiteraka fahadisoam-panantenana sy hampihena ny fitokisana izany, raha ny hevitr’i Zaza Ramandimbiarison.Noho izany, fotoana izao hanalana izay sakana ara-pitantanana. Ny vahoaka dia miandry ny asa.Tsy tokony ho tara ny Fanavaozana, hoy izy , tsy tokony ho tara ny Fikaonan-doha.Ary tsy tokony ho very ny fitokisan’ny vahoaka.Fandinihana ho an’ny tombontsoan’ny fahendrena iombonana sy ny tombontsoan’ny firenena.
Nangonin’i RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.