fitrongisana minisitra…
Fifandrifian-javatra sa misy antony manokana ireo tranga sy fanambarana na resabe ara-politika mandeha sy voizina na hetsehina amin’izao fotoana izao ? Misy kajikajy politika mandeha toy ny fikatsahana sy fanosehana mba hisiana fikitihana ny mpikamban’ny governemanta ohatra ? Ankoatra ireo fanambarana samihafa, toy ny nataon’ireo andiana tanora ahitana mpanao politika, fa vonona hiditra ao anaty governemanta, dia mitombo ny karazana fanenjehana minisitra. Anisan’ny miharihary ny fanenjehana minisitra iray eo amin’ny tontolon’ny fampianarana, saingy nisy ihany koa ny fanambarana hanao hetsika ataon’ireo mpanao fitakiana amin’ny Minisitera iray hafa mbola manodidina an’io sehatra io. Mandeha ny fanomezana fe-potoana, tao ny filazana fa hisy grevy faobe, mangotraka ny fanenjehana amin’ny tambajotran-tserasera,… Tsy mijanona eo, fa mandeha ihany koa ny karazana fanaratsiana sy fanenjehana mahazo ireo mpikamban’ny governemanta sasany, ka minisitra iray hafa ihany koa tratry ny fanaratsiana fa tokony hosoloina. Mbola nisy ny fanambarana omaly, fa misy minisitra 4 tsy maharaka ny dian’ny Filoha, ka manaratsy endrika ny fitondrana. Dia manomboka misy mpanao politika mamoaka sarisary zary tenany, fa te ho minisitra. Any amin’ny PRRM ny baolina amin’ny fanombanana ireo mpikamban’ny governemanta satria mety misy tokoa ny tokony hovaina ho an’ny fanatsarana fa mety eo ihany koa ny karazana tsindry ankolaka na « influence » alefa noho ny kajikajy politika? Fotoana tena mety hikitihana governemanta ve izao ? Raha ny nambaran’ny Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison ny alahady teo andaniny, dia misy fitoniana amin’ny ankampobeny eto amin’ny Firenena, nisy ny fifampihainoana, nanao fisokafana ny Filoha,…. Tsy mbola any amin’ny resaka fanovana governemanta kosa isika izao izao fa any amin’ny fanatanterahana ny politikam-panjakana, ny mahasoa ny vahoaka Malagasy, ary tsy misy mpiara-miombon’antoka hanome fepetra an’i Madagasikara amin’ny fanovana olona, raha ny filazany. Ny Filoha no tompon’ny teny farany amin’ny firosoana amin’izany, izy no mahita hoe inona no ahitsy sy mila soloina, fa tsy misy mpiara-miombon’antoka manome baiko amin’izany, raha ny nambaran’ny Praiminisitra. Na izany na tsy izany, andrasana izay mety ho sary hitranga mialoha sy anatin’ny fikaonandoham-pirenena.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.