Tanteraka raha manohana
ny mpitondra ny vahoaka rehetra
Naneho ny heviny mikasika ny fiainam-pirenena ankehitriny Pastera Heritiana Randriarimalala. Nambarany fa raha manohana 100% ny fitondrana mijoro sy misy ny vahoaka Malagasy dia ho tanteraka marina ny fampandrosoana an’i Madagasikara. Ilana fanetren-tena sy fitiavana ary fahaiza-mihaino anefa izany hoy izy ho an’ny mpitondra izay soso-kevitra ihany ny ahy. Henoina ny kiana hataon’ireo milaza ho mpanohitra sy heverina ho tsy tia dia dinihina tsara ary hatao sy tontosaina rehefa hita fa mety sy mahasoa ny Firenena. Tsy mety hoy izy ilay mamono sofina minia tsy mahare fotsiny. Izay fihetsika izay hoy Pastera Heritiana no lasa miteraka fitiavana sy fahavononana hiara-kiasa any am-pon’ny tsirairay. Notsihiaviny manokana moa fa anisan’ny paikady nentiny nampandrosoana ny Fiangonana Vahao ny oloko izany amin’ny maha-kristiana azy. Rehefa misy mijoro manakiana sy manohitra dia resahina sy henoina ary fakafakaina izay azo tanterahina amin’ny soso-kevitra hatolony. Notsiahiviny moa fa politikan’ny mpanjanantany ny nametraka ilay zarazarao hanjakana mba hamotehana firenena iray. Tsy misy ohatra ny mitambatra sy mifanohana ihany araka izany hoy izy saingy hatao am-pahamarinana kosa fa tsy sanatria hatao ao anatin’ny fangoronan-karena.
Pati
Legende : Pastera Heritiana Randriarimalala !
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.