Soalihy Moussa

«Hisolelaka angamba sisa ilàna depiote!»


  • Talata 28 Oktobra 2025

Isan’ireo mametraka fanontaniana koa ny

tenako ankehitriny, hoy ny mpahaifiarahamonina sady filozofa, Soalihy Moussa, hoe inona intsony moa izany no ilàna ny antenimieram-pirenena taorian’ny didy navoakan’ny HCC? Vakio ilay fanapahana laharana faha 10/HCC fa tsy afaka manao fitsipaham-pitokisana ny filoham-pirenena na «motion de déchéance» intsony ny antenimieram-pirenena. Tsy afaka manao fitsipaham-pitokisana ny praiminisitra na «motion de censure» ihany koa. Hanao tetibola hiaingàna na LFI angamba sisa na hampifilafila hoe hifidy LFI. Azon’i Kolonely atao koa nefa ny manao an’io amin’ny alalan’ny didim-panjakàna. Azo atao izany satria anaty tetezamita isika. Hisolelaka angamba sisa ilàna depiote, raha izany! Ny tena tokony ho asan’ny tetezamita dia manohana fifidianana! Izay ihany! Izay ny fianakaviambe iraisampirenena vao hanampy azy. Manadio ny tontolom-pifidianana no andrasana amin’io rafitra vaovao io. Ireo naka fahefàna izao vao nandray vahiny be dia be. Vao nandray ambasadaoro ireo. Ilaina sa tsia izany ny fianakaviambe iraisampirenena? Tsy maintsy izy hiara-hiasa amin’ireo. Tsy afa-miala amin’ireo izy aloha satria milaza hiverina amin’ny ara-dalàna. Mora amintsika ny miteny rehefa tsy mbola nitondra. Olon’ny fo loatra no mahavoa antsika malagasy. Misy toe-draharaha na «réalité» hafa mihitsy rehefa miditra anatin’io fitondràna io. Misy «paramètre» no singa be dia be mbola tsy ahafahantsika miala amin’ny fianakaviambe iraisampirenena fa indraindray isika enti-po fotsiny. Manao fampitahana amina firenena hafa tahaka an’i Burkina Faso isika. Tantara nefa tsy mitovy. Odidina tsy mitovy. Burkina Faso izany nanana orinasa be dia be. Nanana petrabola na «action» tao ny azy ny fanjàkana na dia notantanana vahiny aza ny orinasa. Tonga i Traoré dia nataony fananam-panjakàna daholo ireo orinasa ireo. Afaka nanao «nationalisation» izany izy. Iza nefa no orinasa azonao hanaovana an’izany eto Madagasikara, hoy hatrany ity mpandinika ity?
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Paul Rabary
  • Alarobia 22 Aprily 2026

«Apetraho dien’izao ny rafitra tsy mitanila!»

  • Minisitry ny Fitsarana
  • Alarobia 22 Aprily 2026

« Niray tetika tamin’i Kol.

  • Ny Antsa Rakotobe
  • Talata 21 Aprily 2026

«Fotoana hihainoana ny rehetra izao!»

  • ANTOKO FANOROLAHY-
  • Talata 21 Aprily 2026

FANAVAOZANA TENA IZY Ataovy aloha ny fifidianana

  • MADAGASIKARA (1991 – 2026)
  • Talata 21 Aprily 2026

Misy tsy mety ao matoa mikorontana isaky ny mihetsika

  • Hary Razafindrazaka
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

"Ireo MAPAR anaty fitondrana

Hijery ny tohiny
FTT