Minisitry ny Fitsarana

« Niray tetika tamin’i Kol.


  • Alarobia 22 Aprily 2026

Patrick ireo tanora tazonina, nisy vazaha nosamborina !»

Voarohirohy amin’ny raharaha fikasana hanongam-panjakana miaraka amin’i Kolonely Rakotomamonjy Patrick ireo tanora Gen Z mbola voatazona amin’izao fotoana izao, ary koa ireo teratany vahiny voatonona tato ho ato », hoy ny minisitra ny Fitsarana, Ernaivo Fanirisoa, fa. Nambarany fa anisan’izy ireo i Guy Barret, izay nosamborina andro vitsy lasa. Ity farany dia hita tao anatin’ny sary navoakan’ny mpanao gazety Harifidy Ramanandraibe, mpanolotsain’ny Filoham-panjakana, izay nilaza fa misy mersenera Frantsay 10 tafiditra eto. Niteraka « incident diplomatique » na olana ara-diplaomatika izany, ka nandiso haingana ny vaovao ny Talen’ny Seraseran’ny Fiadidian’ny Repoblika, Harry Laurent Rahajason, nilaza fa "Mbola tsy nisy fampitam-baovao manamarina amin’ny fisian’ireo teratany vahiny mikotrika fanakorontanana eto Madagasikara. Amin’ny maha mpanao gazety azy fa tsy hidiran'ny maha mpanolotsaina iny zavatra nambarany iny". Ny masoivoho Frantsay dia namoaka fanambarana mazava: «“Ny Masoivoho Frantsay dia mandà tanteraka ireo filazana mivezivezy amin’izao fotoana izao eny amin’ny tambajotra sosialy sasany, izay milaza fa misy fandraisan’an’i Frantsa anjara amin’ny fikasana hanakorontana eto Madagasikara. Tsy marina ireo tsaho ireo…” . Notsindriany fa tsy tokony hanely ny vaovao tsy marina ary nanontany ny antony sy ny loharano manaparitaka izany, izay heveriny fa mikendry hanimba ny fifandraisana eo amin’i Madagasikara sy Frantsa. Andaniny, mikasika ireo tanora dia hita tao amin’ny fifampiresahana tamin’ny Telegram sy Whatsapp ary antontan-taratasy maromaro ny famolavolana fihetsiketsehana sy fikasana hanongam-panjakana. “Fanadihadiana mikasika izay fifandraisany, izay no itazomana ireo Gen Z”, hoy izy. Nanamafy ihany koa fa tsy nisy fikasihan-tanana tamin’ireo tanora nandritra ny fanadihadiana, ary ny mangana hita amin’ny iray amin’izy ireo dia vokatry ny fianjerana tamin’ny moto nandritra ny fisamborana. Nambarany fa voahodikodina ny sain’ireo tanora ka lasa fikaramana an’ady, ary na dia mamela malalaka ny fitondrana ny fitokonana sy ny fanehoan-kevitra aza, dia sokajiana ho heloka ny fidirana anaty fikambanan-jiolahy mikendry famonoana sy fanonganana. Mikasika an’i Kol. Rakotomamonjy Patrick, mbola mitohy ny fanadihadiana ary noho ny didy fampisamborana azy dia napetraka avy hatrany eny Tsiafahy. Rehefa vita ny fanadihadiana vao hatolotra ny fitsarana izy.
NITSIPAKA NY FIFAMPIRESAHANA…
Ny collectif Gen Z 261 kosa nandà ny fanasana hifampidinika nataon’ny Praiminisitra, nilaza fa tsy azo tanterahina ny fifampiresahana raha mbola misy tanora voatazona tsy ara-drariny. Nanonona manokana ny raharaha Herizo, Rija ary Carine, izay angatahiny ny famotsorana. Gen Z 261 miampanga ny fitondrana ho manery ny fahalalahana maneho hevitra sy manasazy ny feo mitsikera. Nilaza izy ireo fa tapaka ny fitokisana ka miantso fanavaozana lalina ny rafitra politika.
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Paul Rabary
  • Alarobia 22 Aprily 2026

«Apetraho dien’izao ny rafitra tsy mitanila!»

  • Ny Antsa Rakotobe
  • Talata 21 Aprily 2026

«Fotoana hihainoana ny rehetra izao!»

  • ANTOKO FANOROLAHY-
  • Talata 21 Aprily 2026

FANAVAOZANA TENA IZY Ataovy aloha ny fifidianana

  • MADAGASIKARA (1991 – 2026)
  • Talata 21 Aprily 2026

Misy tsy mety ao matoa mikorontana isaky ny mihetsika

  • Hary Razafindrazaka
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

"Ireo MAPAR anaty fitondrana

  • POLITIKA sy RAHARAHAM-PIRENENA
  • Zoma 17 Aprily 2026

Mila mailo ihany ny tanora

Hijery ny tohiny
FTT