ANTOKO FANOROLAHY-

FANAVAOZANA TENA IZY Ataovy aloha ny fifidianana


  • Talata 21 Aprily 2026

filoham-pokontany, Ben'ny tanana

Naneho ny heviny mikasika ny toe-draharaham-pirenena misy ankehitriny ny antoko politika Fanorolahy tarihin'ny filoha nasionaliny Randrianary Jose. Raha te-.hametraka fanavaozana tena izy isika hoy izy mitodika amin'ny Mpitondra fanjakana dia tokony miainga eny ifotony izany hanomanana ny tondrozotra. Tokony hatao aloha ny fifidianana izay ho sefom-pokontany hoy izy mba ho olona lanim-bahoaka no hipetraka amin'ilay toerana. Toraka izany koa ny fifidianana Ben'ny tanana eny anivon'ny kao-minina miampy ny fifidianana izay ho filohan'ny Filan-kevim-pirenena Entim-bahoaka ho an' ny Fampandrosoana ho an'ireo izay tokony handray anjara amin'izany. Ny fanatontosana ireo ihany no Hay lalan-tokana hitondra any amin'ny Fanavozana tena izy. Olom-baovao madio tanana avy eny ifotony no ilaina hamolavola io tondrozotra na tetik'asa ho an' ny lalana izay hitondra antsika any amin'ny lalam-panorenana eken'ny besinimaro. Soso-kevitra omena ny mpitondra ihany anefa Izany mba hahatongavan-tsika amin'ny ny tanjona kendrena dia ny fifidianana Filoham-pirenena eken'ny vahoaka Malagasy hoy hatrany Randrianary Jose. Tsiahivina moa fa manohana feno ny fitondrana Fanavaozana ny antoko Fanorolahy. Ny fahantrana no tena fahavalony, antony manosika ireo mpikambana hamporisika ny mpiara-belona mba hilofo.bebe kokoa hatrany amin'ny Fambolena.
Pati

Légende : Izy no Randrianary Jose, Filoha nasionalin'ny antoko Fanorolahy !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Ben’ny tanàna Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

  • 14 Oktobra 2026
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Sady Fetin'ny Repoblika

  • Fahatsiarovana ny tolom-bahoaka
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Natokana ho andro

  • Boing nalefa any Iran
  • Talata 22 Septambra 2026

Olona 28 sy orinasa 5

  • Fahombiazan'ny diplaomasia
  • Talata 22 Septambra 2026

Manamafy ny fisiany i Madagasikara

Hijery ny tohiny
FTT