Politique

Sefo TGV maty voatifitry ny DAS “Matoa io nilefa anay dia meloka”


  • Alarobia 16 Novambra 2011

«Tsy olon-dratsy ny dadanay fa Chef TGV miasa sy mivezivezy any amin’ny Faritra

 Io no nambaran’ny zanak’i Célestin mahakasika ny nitifiran’ny miaramilan’ny DAS ny rain’izy ireo. Nandritra ny fotoana nandalovan’ny miaramila tao amin’ny Fokontany Madiorano no nifanehitra tampoka tamin’i Célestin izy ireo. Nihorakoraka ny olona ka nilaza fa “iny ilay olon-dratsy karohintsika !”. Nandray ny andraikiny ireo miaramila ka nisambotra avy hatrany an-dRajaomarovahiny Célestin. Rehefa izay dia nilaza ny lehiben’ny DAS ny mba hitondrana io olon-dratsy voasambotra io any amin’ny tobin’ny zandary ao Ambatondrazaka. Raikitra anefa ny savorovoro ny takarivan’ny 27 oktobra. Tsy manaiky ny hitondrana an’i Célestin any Ambatondrazaka ny Fokonolona fa hoe : « olon-dratsy io ka raha te ho velona ianareo, miantso ny miaramila dia vonoy izy”, sady nanambana lefona sy sabatra ireo miaramila ny Fokonolona tamin’izany. Nanararaotra izay somary savorovoro izay ingahy Célestin ka lasa nandositra. Nohenjehin’ny miaramila izy nony avy eo ka nisy mihitsy ny fanapoahana basy. Tsy nijanona fa vao mainka nandositra izy.

Voatery nitifitra azy mihitsy ny miaramilan’ny DAS noho izany ka bala roa no nahalavo azy. Fantatra fa efa ela no nikarohan’ny miaramila DAS io rangahy io, saingy tsy nety sarona. Fantatra anefa fa maro ny dosie mahakasika azy toy ny fisandohana ho mpiasan’ny tribonaly. Manana ny toerany eo amin’ny sehatra politika i Célestin raha tsy hilaza afa tsy ny naha kandida UDR azy tamin’ilay fifidianana Ben’ny tanàna tsy raikitra tamin’ny 20 desambra 2010. Fanontaniana no napetraky ny mpandrindra ny asan’ny DAS any Alaotra Mangoro ny hoe : “betsaka ny olon-dratsy voatifitry ny miaramila nefa toa tsy misy resaka fa maninona raha i Célestin no maty no miteraka adihevitra ? Matoa io rangahy io nilefa anay nandritra izay dimy volana niasanay izay dia meloka”, hoy izy. Araka ny tsiliantsofina dia misy tompon’andraikitra ambony miaro sy manampy ireo olon-dratsy any amin’iny Faritra Alaotra iny. Manaporofo izany ny fivoahan’ny olon-dratsy iray ny fonja vao tsy ela akory izay kanefa olona mpisoloky malaza sy mpanararaotra fahefana. Samy miandry ny mety ho tohin’ity raharaha Célestin ity ny mponina sy ireo mpanao politika miara-dia aminy.

Nangonin’i Niry A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

  • ZAZA RAMANDIMBIARISON
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Tsy tokony ho tara ny

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

Hijery ny tohiny
FTT