Politique

Roland Ratsiraka Samy hafa ny antoko lehibe sy kely


  • Alarobia 16 Novambra 2011

Ho an'Atoa Roland Ratsiraka, filohan'ny antoko MTS (Malagasy Tonga Saina) sady filoha lefitry ny Filankevitra ambonin'ny tetezamita (CST) dia tokony hohajaina ny andininy faha-6 ao amin'ny sori-dalana amin'ny fananganana ny governemanta.

Izany hoe manolotra anarana ny praiminisitra ireo vondrona politika, manome ny lisitra any amin'ny filohan'ny FAT indray avy eo ny praiminisitra ary tompon'ny teny farany amin'ny fanendrena ireo minisitra ny filohan'ny FAT. Araka ny safidiny no hanaovany izany. Tokony hojerena akaiky kosa anefa, hoy ihany Atoa Roland Ratsiraka ny fitsinjarana araka ny tokony ho izy ny toerana ao anatin'izany governemanta izany. Nomarihany tsara anefa fa misy ihany ny fahasamihafana eo amin'ireo vondrona sy antoko politika ka tokony handinika tsara izany ny filohan'ny tetezamita sy ny praiminisitra mialoha ny hanendrena ireo minisitra. Misy mantsy hoy ihany ity mpikambana CST ity ireo antoko efa nisedra fifidianana ary manana olom-boafidy, izany hoe azo sokajiana ho antoko lehibe sy efa manana traikefa amin'ny fitantanan-draharaham-panjakana. Fa misy kosa ireo antoko vao niforona tao anatin'ny krizy ka mitady ny fomba hahazoana toerana fotsiny. Tsy mety kosa anefa raha atao an-katerena foana ny zava-drehetra, hoy i Roland Ratsiraka fa tokony halalaka tsara amin'ny fanapahan-keviny ny praiminisitra sy ny filohan'ny FAT.
RTT

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

  • ZAZA RAMANDIMBIARISON
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Tsy tokony ho tara ny

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

Hijery ny tohiny
FTT