Politique

Roland Ratsiraka Mitaky ny hanalana ny PDS-n’i Toamasina


  • Talata 15 Novambra 2011

“Mitaky amin’izay governemanta hitsangana eo aho, ny hanala ny PDS-n’i Toamasina, Rakotovao Mariot”, hoy i Roland Ratsiraka omaly raha nitafa tamin’ny mpanao gazety tao amin’ny trano fonenany tao Salazamay Toamasina.

 “Ny olom-boafidy aza mahay miala raha nisy ny fanalana azy tamin’ny toerany, na raharaha politika no nahatonga izany, izy olom-boatendry tsy mamim-bahoaka indray no midongy tsy mety miala, nefa efa ao anaty loto sy ny fako ny tanàna, tsy mandeha intsony ny raharahan’ny Kaominina ary efa tsy mandray ny baikony ny ankamaroan’ny mpiasa”, hoy hatrany ity filohan’ny antoko MTS ity. Milaza ny hitondra ny anjara birikiny amin’ny fanadiovana ny rano miandrona feno loto sy aretina ao Bazary kely ny MTS ny faran’ny herinandro izao, ka ireo mpiasa mitokona eo anivon’ny Kaominina ihany no ampiasaina amin’izany, noho izy ireo “efa mahay tsara ny raharahan’ny tanàna sy ny fanadiovana ny Kaominina”, hoy hatrany i Roland Ratsiraka. Mikasika ny resaka politika dia nambaran’ity filoha lefitry ny Filankevitra ambonin’ny tetezamita ity, fa “mila manaraka tsara ny andininy faha-06 amin’ny tondrozotra ny praiminisitra vaovao sy ny filohan’ny FAT, ka tokony havela halalaka hisafidy izay fantany sy manana traikefa hitantanana ny ministera izy ireo”.

Nohamafisin’ingahy Roland Ratsiraka hatrany fa “tokony ho arakaraka ny haben’ny antoko sy ny toerana efa nisy antoko teo amin’ny sehatra nasionaly sy ny fifidianana nandraisan’ny antoko sy fikambanana samy hafa anjara, ny toerana omena azy, ary hanaja ihany koa ny fiaviana sy ny maha vavy sy maha lahy voalazan’ny tondrozotra. Amin’ny MTS dia tsy io governemanta io no hamaha ny krizy Malagasy, fa ny fanomanany fifidianana madio sy mangarahara ary andraisan’ny rehetra anjara hatao amin’ny taona ho avy. Ny MTS, araka ny nambaran’ny filohany, dia tsy miady toerana. Ampy azy raha hapetraka amin’ny toerana nangatahany ny minisitra tokana natolony dia Atoa Benjamina Ramanantsoa.

Rakoutou

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

  • ZAZA RAMANDIMBIARISON
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Tsy tokony ho tara ny

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

Hijery ny tohiny
FTT