Rajoelina miana-kendry

miresaka ara-dalàna


  • Alarobia 15 Oktobra 2025

Tsy adinon’ny tantara ny fiofoany ho frantsay

Hatramin’ny 25 septambra 2025 no ho nankaty dia maro tamin’ireo mpanara-baovao no nitanàka vava nahita ny filohan’ny tetezamita tamin’ny 2009, Andry Rajoelina, nilaza ombieny ombiany fa mila manara-dalàna isika na koa hoe tsy tokony hivoaka ny lalàna nefa tamin’izany fotoana dia niarahan’izao tontolo izao niaiky fa tamin’ny fomba tsy ara-dalàna no nandraisany sy ny forongony fahefàna fa tamin’ny alalan’ny fanonganam-panjakàna niaraka tamin’ny basy sy ny tafika tamin’ny fotoan’andro. Ankehitriny dia iaraha-mahita fa miverina manody azy ny nihatra tamin’ny filoham-pirenena teo aloha nahongany tamin’izany fotoana izany, Marc Ravalomanana. Isany ny fiantsoantsoana ny fanampian’ny fianakaviambe iraisampirenena, ny fitadiavana ny fanohanan’ny vondrona afrikanina sy ny vondrona aty atsimon’i Afrika izay tarihiny na ny SADC, ny fihirahiràna lalandava fa misy fanonganam-panjakàna amin’izao fotoana izao eto Madagasikara. Raha ny taratasy nambara ho didim-panjakàna niparitaka tamin’ny tambazotran-tserasera omaly moa dia hoe nandrava ny antenimieram-pirenena izy satria nomen’ny lalàmpanorenana izany fahefàna izany amin’ny maha filoham-pirenena ankehitriny, am-perinasa azy. Nomen’ny teo anivon’ny antenimieram-pirenena ny porofo rehetra maha tsy ara-dalàna ny fanapahan-kevitra nataony taorian’izay ary dia niroso tamin’ny fitsipaham-pitokisana azy ny teny Tsimbazaza avy eo. Lany ny «eny» manala an’i Andry Rajoelina amin’ny andraikitra maha filoham-pirenena azy saingy namoaka fampahafantarana indray ny tenany avy eo, tamin’ny alalan’ny seraseran’ny fiadidiana ny repoblika, fa tsy ara-dalàna intsony iny fanesorana azy tamin’ny toerany iny satria efa nofoanany ny antenimieram-pirenena. Mbola adihevitra lavabe mandrak’anio moa izay toe-draharaha nihazakazaka tao anatin’ny 24 ora izay fa etsy ankilany koa nefa dia tsy adinon’ny tantara ny fiofoan’izany Andry Rajoelina izany ho frantsay tamin’ny alalan’ny antsoina hoe «naturalisation», izany hoe fandavany ny maha olompirenena malagasy azy fa fanekeny ho olompirenena frantsay tanteraka kosa ary hanompo tanteraka izany firenena frantsay izany satria olon-dehibe efa hary saina izy no nanapa-kevitra. Nidika izany, hoy ny fanazavàn’ireo mpahay lalàna maro, raha fintinina, fa na ny naha filoham-pirenena azy nanomboka ny taona 2019 aza tokony ho foana ary tsy tokony noraisin’ny fitsaràna avo momba ny lalàmpanorenana na HCC intsony ny dosieny tamin’ny 2023 satria ao anatin’ny lalàmpanorenena izay niorina tao anaty fitondràny ny taona 2010 dia izany no atao hoe famadihan-tanindrazana. Heverina ihany koa fa fara-tampony tamin’ny tsy fanarahan-dalàna teto amin’ity Madagasikara ity ka antony tsy tokony nampanan-kery intsony hatramin’ny maha filoham-pirenena izany Andry Rajoelina izany nanomboka ny taona 2019 no ho nankaty. Rajoelina miana-kendry miresaka ara-dalàna, tsy adinon’ny tantara ny fiofoany ho frantsay.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Paul Rabary
  • Alarobia 22 Aprily 2026

«Apetraho dien’izao ny rafitra tsy mitanila!»

  • Minisitry ny Fitsarana
  • Alarobia 22 Aprily 2026

« Niray tetika tamin’i Kol.

  • Ny Antsa Rakotobe
  • Talata 21 Aprily 2026

«Fotoana hihainoana ny rehetra izao!»

  • ANTOKO FANOROLAHY-
  • Talata 21 Aprily 2026

FANAVAOZANA TENA IZY Ataovy aloha ny fifidianana

  • MADAGASIKARA (1991 – 2026)
  • Talata 21 Aprily 2026

Misy tsy mety ao matoa mikorontana isaky ny mihetsika

  • Hary Razafindrazaka
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

"Ireo MAPAR anaty fitondrana

Hijery ny tohiny
FTT