Nisy iray nivoaka ny fonja tamin’ny herinandro teo. Amin’ity herinandro ity koa dia mbola hisy ny hivoaka, raha araka ny loharanom-baovao akaiky ny fonja.
Na izany aza anefa dia tsy fantatra mazava kosa raha fahafahana vonjimaika no azon’izy ireo na koa fanombohan’ny fampiharana izay voalazan’ny tondrozotra. Raha tsiahivina dia manodidina ny 19 eo no mbola tazomina eny am-ponja, mifampizara ao Tsiafahy sy Antanimora. Tamin’ny 20 mey 2010 izy ireo no voasambotra sy nitolo-batana rehefa nifanjevo tamin’ny mpitandro ny filaminana avy ao amin’ny Prezidansa izay nanampy ny Emmo-Reg. Fikomiana no tena antony nanenjahana an’ireo zandarin’ny FIGN ireo. Rehefa nisy maty anefa tao anatin’ny fifanjevoana dia niampy ny vesatra hanenjehana azy ireo. Niampy voano olona izany. Efa im-betsaka no nisy ny fangatahana fahafahana vonjimaika ary efa maro ihany koa ny siosion-dresaka fa hatao ato ho ato ny fitsarana ity raharaha ity. Izao anefa dia re indray fa havoaka tsikelikely ireo zandary izay voarohirohy tamin’ity raharaha FIGN ity. Toe-javatra izay heverina fa mitombina satria efa saika navotsotra avokoa ireo izay tafiditra tamin’ny raharaha manodidina an’iny ady teny amin’ny FIGN iny. Abisan’izany ny raharaha Radio Fahazavana, Radion’ny Gasy ...
G.T
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.