Politique

Radanoara Julien “Avelao ny vahoaka no hisafidy”


  • Zoma 06 Aprily 2012

Resabe ny amin’ny amnistia. Miteraka adihevitra koa ny fihetsiky ny fianakaviambe iraisam-pirenena. Nanontany ny hevi-dRadanoara Julien, izay manampahaizana momba ny fifandraisana iraisam-pirenena ny Tia Tanindrazana ao anatin’ny SOKELA, araka izao manaraka izao.

 Tia Tanindrazana (TT) : Ny resaka famotsoran-keloka izao no malaza. Hitondra fitoniana ve ilay volavolan-dalàna amin’ny endriny amin’izao io ?

Radanoara Julien (RJ) : Raha tena mitady fitoniana dia mila fafana avokoa ny zava-drehetra satria samy mpanota avokoa ny mpanao politika rehetra. Nahoana moa ny amiraly Ratsiraka izay nanome baiko hamonoana olona tamin’ny 10 aogositra 1991 no tsy misy mpikitika akory kanefa ny sasany izay tsy fantatra mazava raha nanome baiko nitifitra na tsia tamin’ireny 07 febroary 2009 ireny no resahana etsy sy aroa ? Ankoatra izay dia tsy anjaran’ny mpanao politika ao anatin’izao krizy izao no mandany ny lalàna momba ny famotsoran-keloka izany satria tsy nomen’ny vahoaka andriamanjaka fahefana izy ireo. Raha izao fandehany izao mantsy dia lasa “sélective” indray ilay famotsoran-keloka satria misy olona kendrena tsy hahazo azy. Amiko dia tokony ho samy havela hilatsaka avokoa ny rehetra ka ho hita eo izay tian’ny ny vahoaka.

TT : Midika anie izany fa afaka milatsaka koa ireo minisitra sy Parlemantera izay mbola voasazy e ?
RJ :
Ry Pierrot Rajaonarivelo sy Voninahitsy izao no tena anisan’ny miandrandra an’io. Aleo izy ireo hotsarain’ny vahoaka ka raha lany izy ireo dia midika izay fa nahazo ilay famotsoran-keloka.

TT : Hampilamina tokoa ve ny tsy filatsahan-kofidian’ny filoha Ravalomanana sy ny filohan’ny FAT Rajoelina araka izay aroson’ny Escopol ?
RJ
: Tetikadin’ny Frantsay no mampiely io resaka io satria matahotra ry zareo sao lany eo Atoa Marc Ravalomanana. Very avokoa mantsy ny tombontsoany eto Madagasikara sy aty amin’ny faritra Oseana Indiana raha tanteraka izay. Tsy olana aminy kosa raha lany na tsia i Andry Rajoelina satria manana olona hafa ny Frantsay. Ireo rehetra milaza hilatsaka ireo anie ka olon’ny Frantsay avokoa e !

TT: Ahoana moa no ahafahan’i Marc Ravalomanana milatsaka kanefa izy aza tsy avelan’ny FAT mody eto ?
RJ :
Azo atao tsara mihitsy ny mikarakara fitsapan-kevi-bahoaka hanontaniana ny hevitry ny vahoaka raha ekeny ny hahazoan-dRavalomanana famotsoran-keloka satria mahabe resaka loatra io. Aorian’izay vao atao ny fifidianana.

TT : Tena hadio ve aminao izany fitsapan-kevi-bahoaka momba an-dRavalomanana hokarakarain’ny FAT izany ?
RJ
: Ny firaisambe iraisam-pirenena no mikarakara ny fifidianana hatramin’ny famoahana ny valiny fa maka olona avy amin’ny fitondrana sy amin’ny mpanohitra ary ny fiarahamonim-pirenena izy manampy azy. Mila atao mitovy isa tsara kosa ny solontenan’ny frankofonia sy ny Commonwealth (fikambanan’ny firenena miteny anglisy) ao anatin’ilay rafitra tantanin’ny firaisambe iraisam-pirenena mba tena hitombina ilay tsy fitanilana. Rehefa ry zareo koa no mikarakara azy dia tsy hisy intsony firenena vahiny na fikambanana iraisam-pirenena hanohitra ny vokatra eo.

TT : Manana ny CENIT isika ka nahoana no hiantso vahiny ?
RJ
: Niteraka savorovoro ny fifidianana tany Côte d’Ivoire noho ny resaka rafitra. Nanana rafitra namoaka ny vokatra vonjimaika ry zareo raha rafitra iray hafa kosa nanome ny valim-pifidianana ara-dalàna. Samy hafa ny valim-pifidianana navoakan’ireo dia ireny hita ireny ny vokany fa ra mandriaka. Ny antsika koa dia samy  hafa ny rafitra hamoaka ny vokatra vonjimaika ny CES sy ny hamoaka ny valim-pifidianana feno dia ny HCC ka raha sanatria samy manana ny ambarany ireo dia mety ho zava-doza no hiseho. Raha tiana ny hisian’ny filaminana dia aleo ny firaisambe iraisam-pirenena no miahy azy feno.

TT : Mifandimby manolotra ny antontan-taratasy manendry azy amin’ny toerany ireo masoivoho vahiny tao anatin’ny iray volana izao. Tsy efa azo ve izany ny fankatoavana ?
RJ
: Mihamandroso tokoa ilay fankatoavana saingy mizara roa. Misy ny “réconnaissance théorique” fa mbola misy koa ny “réconnaissance pratique”. Mbola tsy azo tanteraka ilay fankatoavana amin’ny «réconnaissance théorique» matoa ny Vondrona Eoropeanina tsy manome famatsiana ara-bola hampiasain’ny fanjakana. Te haneho anefa ry zareo amin’io fihetsika io fa efa nanao dingana izy, anjarantsika sisa ny ambiny.

TT : Raha miala amin’ny fiaraha-mitantana ny tetezamita ny ankolafy Ravalomanana. Mety hisy fiantraikany amin’ilay fankatoavana efa mandroso ve izany ?
RJ :
Misy fiantraikany tokoa satria rava amin’izay fotoana izay ny «consensualité» sy ny «inclusivité». Izany hoe hiato ilay fankatoavana.

TT : Hamaranana ny resaka momba ny fifandraisana iraisam-pirenena. Maro ireo firenena vahiny nosoloina ny masoivohontsika toa an’i Soisa sy Alzeria. Mbola notazonina na dia efa elabe teo amin’ny toerany ny ao amin’ny ONU. Tsy manaratsy ny endriky ny firenena any ivelany ve izany fihetsika izany ?
RJ : Zon’ny fitondrana no manolo masoivoho. Ny fanoloran’ny masoivoho Soisa taratasy manendry azy dia midika fankatoavan’ity firenena ity ny fitondrana. Rehefa mankato antsika ry zareo dia azontsika atao koa izany ny manolo ny masoivohontsika miasa any aminy. Etsy andaniny, ankoatra ny ONU dia mbola mijanona amin’ny toerana koa ny masoivoho any Etazonia satria ny Amerikanina dia tsy mankato izao fitondrana izao. Vao mainka izany hampidi-kizo ny mpitondra ny fanesorana ny masoivoho any an-toerana satria horaisin’i Etazonia ho mpizahatany tsotra izao izay mpisolo toerana eo. Mitovy amin’izay koa no handraisany ny mpitondra FAT hakany.

TT : Mahefa ve izao fanjakana izao satria na ny mpitandro ny filaminana aza tsy mahaaro ny tenany intsony ? Ny kaomandin’ny zandary teo aloha izao ireny nisy namono tao an-tranony ireny ?
RJ :
Rehefa amin’ny vanim-potoan’ny krizy dia samy manararaotra ny rehetra, indrindra fa ny mpanao ratsy. Rehefa mihenjana anefa ny mpitondra dia afaka mampihatra ny fahefany hampandriana ny tany. Resaka “crise d’autorité” izany izao no misy eto matoa misy ireny famonoan’ny polisy mpitsara ireny ohatra. Ny filohan’ny FAT rahateo efa niaiky fa misy “désobéissance” na ny tsy fankatoavana ny lehibe amin’izao fotoana.

Nangonin’i Yves 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politika sy jeopolitika
  • Alarobia 13 Mey 2026

Mifaninana mafy eto i Lafrantsa sy Rosia

  • Delegasiona avy amin'ny SADC
  • Alarobia 13 Mey 2026

Nitsidika an'i Rinah sy Marie Michelle tany am-ponja

  • Kaominina Antsirabe I
  • Talata 12 Mey 2026

Nametra-pialana ny ben’ny tanàna…

  • Politika
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Notendrena ho mpanolo-tsain’ny

  • Razafindrandriatsimaniry DieudonnĂ© Marie Michel
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Fametrahana aty ifotony ny fitsinjarana

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

Hijery ny tohiny
FTT