Delegasiona avy amin'ny SADC

Nitsidika an'i Rinah sy Marie Michelle tany am-ponja


  • Alarobia 13 Mey 2026

Naniry ny hitsidika ny Fonjan’i Manjakandriana

sy ny Fonjan’Avaradrano ireo delegasiona avy amin'ny Southern African Development Community (SADC) mamita iraka eto Madagasikara, ka nampita izany tamin'ny Mpitahiry ny Fitombokasem-panjakana, Minisitry ny Fitsarana, Fanirisoa Ernaivo nandritra ny fihaonan'izy ireo tao amin’ny "Radisson Blue Hotel", ny sabotsy 09 may 2026 lasa teo. Anisan’ny noresahina tamin’izany fihaonana izany ireo raharaha mahakasika ireo tanora “Gen-Z” sy ireo tompon’andraiki-panjakana teo aloha, mpiara-dia tamin'i Andry Rajoelina, izay manana raharaham-pitsarana. Neken-dRamatoa Minisitra avy hatrany ny fangatahan'izy ireo, ho fanamafisana ny mangarahara eo amin’ny fitantanana ny raharaham-pitsarana sy ny tontolon’ny fonja eto Madagasikara. Tsy niandry ela fa ny alahady 10 may 2026 dia nitsidika ireo fonja roa ireo ny delegasiona manokana avy amin'ny SADC. Nahita maso ary nifampiresaka tamin'ny minisitry ny fanabeazam-pirenena teo aloha, Marie Michelle Sahondrarimalala ireto farany raha tonga tao amin'ny fonjan'Avaradrano. Nisy n'y fiarahan'izy ireo naka sary, maneho fa samy salama na ny mpitsidika na ny tsidihina. Nitovy tsy nisy valaka tamin'izany koa ny tao amin'ny fonjan'i Manjakandriana itazomana vonjimaika an'i Rinah Rako-tomanga, nomarihina tamin'ny fiaraha-maka sary nifanaovan'ny mpamangy sy ny vangiana, izay mandiso ireo resaka novoizin'ny mpanaratsy ny fitondrana Fanavaozana fa mijaly ireo voanfonja ireo.
Jean D.

Rinah Rakotomanga (faharoa eo ankavia) nihaona tamin'ny delegasiona avy amin'ny SADC
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Ben’ny tanàna Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

  • 14 Oktobra 2026
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Sady Fetin'ny Repoblika

  • Fahatsiarovana ny tolom-bahoaka
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Natokana ho andro

  • Boing nalefa any Iran
  • Talata 22 Septambra 2026

Olona 28 sy orinasa 5

  • Fahombiazan'ny diplaomasia
  • Talata 22 Septambra 2026

Manamafy ny fisiany i Madagasikara

Hijery ny tohiny
FTT