Politika sy jeopolitika

Mifaninana mafy eto i Lafrantsa sy Rosia


  • Alarobia 13 Mey 2026

Miharihary ny zava-misy ara-politika sy jeopolitika

eto amintsika, fa misy fifaninanana lehibe eo amin’ny Tandrefana izay ny Frantsay no tena misongadina sy ny Rosianina andaniny. Tsikaritra ny herinandro lasa teo, izay nifandimby ny lanonana teto amin’ny renivohitra malagasy ho fahatsiarovana ny fandresena tamin’ny "nazisme" sy ny fascisme". Ny 2 mey 1945 no nifaranan’ny ady tao Berlin tamin’ny fandresen’ny Sovietika, ary ny 8 mey 1945 no nanamarika ny fialan’i Alemaina nazi sy ny fiafaran’ny Ady Lehibe Faharoa tany Eoropa. Noho ny elanelam-potoana amin’i Moscou, izay efa 9 mey tamin’ny fotoana nanaovana sonia farany ny fialan’i Alemaina, dia mankalaza ny Andro fandresena ny Rosia amin’ny 9 mey hatrany. Ny Frantsay nanao fisaonana sy fankasitrahana tao amin’ny tsangambato ho an’ny maty ho an’ny Tanindrazana teny amin’ny fasan’ny Frantsay Anjanahary ny 8 mey, raha nankalaza ny “Andro fandresena” kosa ny Rosianina ny 9 mey tao amin’ny IKM Antsahavola sy tao amin’ny ambasady, narahin'ny diabe nahitana fiara 12 sy moto 200 nitondra ny sainam-pirenena Malagasy sy Rosianina, notarihin'ny Vladimirovich sy ny chargé d’affaires rosiana Alexei Buriak. Samy nanome voninahitra ny fandraisana anjara an’arivony maro tamin’ireo miaramila malagasy nandray anjara tamin’ny Ady Lehibe Faharoa ny firenena roa tonta. Ny ambasady frantsay dia nanamarika manokana ny herim-po nasehon’izy ireo tamin’ny fanafihana an’i Provence tamin’ny aogositra 1944, izay nanampiany tamin’ny fanafahana ny tany frantsay sy ny fiverenana amin’ny fandriampahalemana tany Eoropa. Ny Africa Initiative, mpikarakara ny fankalazana rosianina kosa nanasongadina fa “izao no voalohany nisian’ny fankalazana niaraka tamin’ny Rosia teto Madagasikara.” Nanamafy ny maha-zava-dehibe ny 9 mey ho daty ara-tantara, sady nanameloka ny fikasana hanoratra indray ny tantara sy hanadio ny nazisma ireo solontena Rosianina. Ankoatra ny fampirantiana sary 40 maneho ny fandraisana anjara nataon’ireo miaramila rosiana sy malagasy, dia nisy seho ara-javakanto, hira nasionaly, famakiana tononkalo, fanatanjahantena toy ny pentathlon sy ady totohondry, ary fanazaran-tena amin’ny tifitra elektronika. Ny lanonana tao Anjanahary, notarihin’ny ambasady frantsay Arnaud Guillois kosa, dia nahitana ny ambasadaoron’ny Vondrona Eoropeana Roland Kobia, ny talen’ny Office national malagasy des anciens combattants, Kolonely Mamy Patrick Andriambololona, ary ny filohan’ny Société des membres de la Légion d’Honneur (SMLH), Amiral Alain Coldefy. Samy manamafy ny toerany sy ambara fa firahalahiana amin’i Madagasikara. Nanamarika izao fitondrana izao ny fanomezana fitaovam-piadiana sy fitaovana mavesatra maro toy ny fiara sy angidim-by avy amin’ny Rosianina, saingy maneho ihany koa ny Tandrefana fa tena manohana an’i Madagasikara, ka izy no mitondra tohana lehibe indrindra ara-bola izay 5000 miliara Ar, hoy ny filazana nandritra ny herinandron’i Eoropa ny herinandro lasa teo. Hatreto aloha mbola sahirana i Madagasikara izay midika fa ny herintsika no fitaovam-piadiana voalohany, tena ilaina ny vahiny, fa mila hatsaraina ny fifandraisana mba tena hitondra tombotsoa ara-toekarena.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Delegasiona avy amin'ny SADC
  • Alarobia 13 Mey 2026

Nitsidika an'i Rinah sy Marie Michelle tany am-ponja

  • Kaominina Antsirabe I
  • Talata 12 Mey 2026

Nametra-pialana ny ben’ny tanàna…

  • Politika
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Notendrena ho mpanolo-tsain’ny

  • Razafindrandriatsimaniry Dieudonné Marie Michel
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Fametrahana aty ifotony ny fitsinjarana

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

Hijery ny tohiny
FTT