Edito

Sarotra! Sarotra ny miala amin’ny mahazatra,


  • Alarobia 13 Mey 2026

hoy ny fiteny mahazatra antsika fahiny.

Sarotra no dikan’izany ny manavao, indrindra moa izany hoe manova. Sarotra ilay tena manavao sy tena manova. Sarotra ny lalana mankany amin’ny fanavaozana, indrindra, mankany amin’ny fanovàna tena marina. Tsy miafina fa miharihary ny hoe nandova fahasahiranana noho ny famotehana vitan’ny fitondràna teo aloha nandritry ny 17 taona ny fitondràna ankehitriny. Sarotra ny hanamarina fa diso izany filazàna izany hoe tsy namotika izao firenena izao ny fitondràna teo aloha. Vao miresaka ny alatsinainy mainty sy ny antsoina ho AV7 fotsiny dia efa tampina ny daomy. Orinasan’iza no tsy rotika sy may tamin’izany 26 janoary 2009 izany? an’aliny maro ireo very asa sy maty may tanatina fandrobàna orinasa. Tantara mitoetra izany ary ny tsy fijerena ny tsy nety natao teto amin’ity firenena ity tamin’izany no mety hamerenana izany adisoana izany indray. Efa nisy rà malagasy latsaka be dia be nitakiana ny fahafahan’ity firenena ity tamin’ny 1947, 1972, 1991, 2002 kanefa indrisy fa mbola nisy izany ihany ny taona 2009 sy 2025. Mba voasoroka aza ny taona 2018. Izany foana izany no hiainana eto? Mbola ho fadiana ihany ve ny hijery ny lasa? Aleo ve ny lasa miverina toy izay sorohina ny tsy hiverenany intsony? Hanavao izany isika, raha ny hirahira mandeha amin’izao. Hanova mihitsy moa no nitoloman’ireo nitolona mba hiakaran’izao fitondràna vaovao izao nanomboka ny 25 septambra 2025. Mila mamerina ny zava-nisy teo amin’ny tantara, noho izany, hoe inona no nety sy tsy nety? Inoana fa ny tsy nety no tena be dia be matoa tsy nety nahatafavoaka tanaty fahantrana, 68 taona izao nidirana tanatin’ny antsoina hoe repoblika. Sarotra ny manarina izany rehetra izany na mbola tsy hitanisa akory ny olana nisy nialohan’ny fahatongavan’ny frantsay sy ny fanababoana tany nataon’ny frantsay aza. Sarotra saingy tsy maintsy irosoana sy atrehina.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Mba tsy hovolosana lava e !
  • Talata 12 Mey 2026

Mafy ny diplaomasia sy ny jeopolitika

  • Savorovoro hilantoana sa...???
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Nanahirana ny sain'ny maro ihany,

  • Lany andro
  • Alakamisy 07 Mey 2026

mifandrirotra sy mifanasa vangy ?

  • Alamina miandalana!
  • Alarobia 06 Mey 2026

Tsy misy fiarahamonina

  • Na izany aza… !
  • Talata 05 Mey 2026

Hanomboka fivoriana ara-potoana

  • Miandrandra ny
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

mety kokoa hatrany!

Hijery ny tohiny
FTT