Fiantsoana hiatrika fitsarana avy hatrany no niandry an’ny Profesora Ranjeva Raymond taorian’ny nizarany sy ny Firohotan’ny Olom-pirenena ho an’ny fifampihavanana na CCC tarihiny ho fanta-bahoaka ny fandinihana ny fivoaran’ny raharaham-pirenena sy ny alaolana amin’izao krizy mandrendrika ny firenena ary mila hampitolefika ny Malagasy 20 tapitrisa izao, ka nilazany fa “vitantsika ny mamaha ny olana, ny mandresy ny firaviravian-tanana sy ny famoizampo”.
Tsy nihambahamba ity mpampianatra sady mpitsara iraisam-pirenena ity nilaza fa tsy hahomby ny tondrozotra, heverina hivoahana amin’ny krizy io, na dia tsy azo hihodivirana aza ny foto-kevitra nampijoroana azy. Aminy mantsy dia natao hizarana seza ihany io tondrozotra io fa tsy hamaha ny olana. Manelingelina ny FAT io fanambarana nataon’ny Profesora Ranjeva Raymond tao amin’ny La Rotonde Besarety ny zoma 17 febroary 2012 io. Maro rahateo ny olona manomboka resy lahatra amin’ny paikady arosony hamahana izao krizy izao. Mipararetra, araka izany, ny FAT satria raha toa ka rava na foanana ny tondrozotra dia veloma manaraka izay koa ny maha filohan’ny tetezamita an’i Andry Rajoelina. Ny an’ny FAT no nataony tonga aloha, dia ny fitsarana avy hatrany no netsehiny. Fantatra fa dia hiakatra fitsarana ny Profesora Ranjeva Raymond sy ny zanany vavy Ranjeva Riana amin’ny alatsinainy 19 martsa 2012 ho avy izao. Tsiahivina fa voampanga ho atidoha niketriketrika ny raharaha BANI 2010, izay nolazaina fa fanonganam-panjakana, ny Profesora Ranjeva Raymond. Miaramila manamboninahitra maro no voarohirohy tamin’io resaka io ary any am-ponja amin’izao fotoana izao ary hotsaraina amin’io 19 martsa io ihany koa.
Taorian’ny raharaha BANI, tsiahivina ihany, dia nanaovana ny fisavana ny tokantranon’ny zanaka vavin’ny Profesora Ranjeva Raymond ary ny ampitson’iny dia voantso teny amin’ny zandarimaria Ankadilalana izy ary voampanga ho nanevateva ny mpitandro ny filaminana nandritra ny fisavana ary nahazo sazy miantona iray volana rehefa nandalo fitsarana. Fahafahana vonjimaika kosa no azon’izy mianaka momba ny raharaha BANI, raha naiditra eny Tsiafahy sy Antanimora ary mbola migadra hatramin’izao na dia tsy mbola nisy didim-pitsarana nivoaka aza ireo manamboninahitra tamin’iny raharaha iny.
Tsy voahaja
Mahavelom-panontaniana ny mpanara-baovao maro noho izany ny anton’izao fampandehanana ny raharaha eny amin’ny ady heloka be vava eny amin’ny fitsarana izao, indrindra raha mijery ny fanapahan-kevitry ny mpitsara mivondrona ao amin’ny SMM nilaza fa mbola ny fiandrasan-draharaha hitsarana ireo “tratra ambodiomby” ihany no raisiny aloha hatreto mandra-pivalin’ny fitakiany, taorinan’ireny fihaonana niarahany tamin’ny polisy teny amin’ny CCI Ivato farany teo ireny. Satria ve manomboka miseho sy maneho hevitra hitadiavam-bahaolana ivoahana amin’izao krizy politika izao indray tato ho ato ny Profesora Ranjeva Raymond dia avoaka arangaranga indray io raharaham-pitsarana io hampihemotra azy ? Fomba fanao efa nahafantarana ny mpitondra FAT hatramin’izay nijoroany tsy ara-dalàna izay mantsy ny mampiasa ny fitsarana sy ny mpitandro filaminana amin’ny raharaha manelingelina azy, ka nahatonga ireny fitakian’ny mpitsara nilaza ny tsy hanaiky tsindry bokotra na avy aiza na avy amin’iza ireny. Raha zohiana koa ny tondrozotra, dia tsy voahaja ny voalazan’ny andininy faha-16 sy faha-17 amin’ny hampitsarana ny raharaham-pitsarana hisian’ny fitoniana, ary koa hanajana ny fahalalahana maneho hevitra.
Voalaza ao anaty fiantsoana fa hoe tsy maintsy tonga manatrika io fitsarana io ireo rehetra voarohirohy. Raha tsy izany dia hampiharina amin’izay tsy tonga ny sazy. Dia ahoana moa izany ny momba ny Lietnà-kolonely Charles Andrianasoavina, anisan’ny voampanga tsaboina atsy La Réunion, satria tsy afaka ny ho tonga hanatrika io fitsarana io izy ?
Nangonin’i Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.