Mbola vao ny iray amin’ireo tanjona miisa fito
no tratra tao anatin’ny tolona hatreto, hoy ireo vondron’ny tanora nitolona tao anatin’izay hetsika fanoherana ny tsy rariny misy eto amin’ny firenena hatramin’ny 21 septambra 2025 no ho nankaty izay, tetsy amin’ny tranom-pokonolona Analakely ny sabotsy teo. Ho anay misehatra amin’ny fampivoarana ny maha izy azy ny olombelona na «développement personnelle», hoy i Randrianirina Herinjaka na Njaka adala, filoha mpanorina ny Move on, dia mahita izahay fa tsy tokony hatreo amin’ny fanalàna mpitondra na fanovàna rafitra ilay izy fa tokony kitihina mihitsy ny rafin-tsaina gasy. Tsy misy firenena mandroso, hoy izy, raha tsy mandroso ny tsirairay anaty firenena. Izahay ao anatin’ny antsoina hoe «Move on» dia manana tolonkevitra isan-tsehatra. Eo ny ara-toekarena, ny tontolo iainana, sosialy, fanabeazana, maromaro. Isany izao ataonay izao hoe andao ho zaraina amin’ny olona ity. Efa tamin’ny 2018 no nanomboka nisianay. Mety sehatra vitsivitsy tamin’izany fa manomboka eto izany dia tanjona ny hanaparitaka bebe kokoa an’ilay izy. Ny lafiny mahaolona izao dia manana olana ara-fiizina na «problème identitaire» isika. Misy krizy miverimberina foana mikasika an’izay dia tsy manana rehareha anaty isika hoe raha gasy aho dia gasy maninona? Mihinam-bary ve no rehareha maha gasy ahy? Mila averina mihitsy izany aloha izay rehareha maha izy azy izay. Mikasika ny tontolo iainana moa dia manana toeram-pambolena na «site de reboisement» miisa 5 izahay manerana an’i Madagasikara. Manana 27ha mianantsimo izahay eny Andoharanofotsy. Io no akaiky indrindra. Tanjona ny hoe mba ho tena fahatsapàna andraikitra amin’ny maha olompirenena ny mamboly hazo fa tsy werawera amin’ny «selfie» fotsiny. Famerenana tangoron’ala na «reforestation» no tanjona fa tsy fambolen-kazo fotsiny. Tokony handray anjara manomboka any amin’ny fiarahamonina anaty fokontany sy rehefa mety ho olompirenena. Karakaraina ilay izy fa tsy hoe ambolena fotsiny dia ialàna. Tokony hiova ny rafi-pampianarana fa tsy mitondra mankaiza. Ampianarina hitady asa isika nefa na ny asa ho tadiavina aza tsy misy. Izay no mahatonga ny fiakaran’ny tsy an’asa hatrany ary ny oniversite sy ny rafitra dia lasa masinina mpamorona tsy an’asa. Miverina foana ny olantsika mandrak’androany, hoy hatrany ny tenany. Somary tsy dia mazava loatra ny tena ho tohin’ny tolona hatreto, hoy kosa ny mpianatra tantara, Loic. Izay indrindra, hoy izy, no antony namonjeko taty taorian’ny antsoavo voaray. Ankasitrahana ny fandraisan’anjaran’ny vahoaka sy ny tafika satria tena nanafaingana ny tolona. Mbola tsy dia hita soritra loatra nefa hatreto ilay rafitra. Izay, noho izany, hoy hatrany ny tenany, no anton’izao dinika izao.
Nangonin’i J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.