Politique

MMTM Mijoro ho mpanelanelana amin’ny famahana ny krizy


  • Alatsinainy 10 Mey 2010

Mijoro ho elanelam-panahy amin’ireo firehana maro samihafa misy eto amin’ny firenena amin’izao famahana ny krizy izao ny fikambanana MMTM na Malagasy Miray Tanindrazana Mandroso, izay tarihan’ny mompera Ratongavao Charles Raymond.

Ahitana mpitondra fivavahana, manampahaizana, mpanao gazety, mpanao politika sy ankolafin’olona amin’ny sehatr’asa maro samihafa ity fikambanana ity. Hiezaka ny hanatona sy hihaona amin’ireo hery velona rehetra tsy an-kanavaka eto amin’ny firenena ny MTMM, ka ny mpanao politika no nanombohana izany hatramin’ny sabotsy lasa teo. Tsy tokony hozarazarain’ny hevitra tsy mitovy isika, fa kosa hahay hifameno amin’ny alalan’ny fahasamihafana, ka ny fihavanana no fototra iaingana amin’izany. Izay no ventin-kevitra azo notsoahina tamin’ny fihaonan’ny Malagasy Miray Tanindrazana Mandroso tamin’ny mpanao gazety ny sabotsy lasa teo teny Andrefan’Ambohijanahary. Araka izany dia hanao karazana mpanelanelana amin’ny famahana ny krizy ity fikambanana ity. Tsy mbola nilaza mazava kosa anefa ny mpitarika raha hisy ny fihaonana amin’ireo ankolafy 4 na tsia. Andrasan’ny rehetra ihany koa raha hahavita ny hampihaona sy hampifanatrika ireo ankolafy 4 tahaka, ny eritreritry ny hetsiky ny mpitondra fivavahana, ny Malagasy Miray Tanindrazana Mandroso. Araka ny fahitan’ny mpanara-baovao politika azy mantsy dia tsy maintsy misy aloha ny fifampiresahana sy fifanazavana ary fifamelana eo amin’ireo ankolafy 4, mpandray anjara fototra amin’ny fiainam-pirenena, izay vao tokony hiroso amin’ny tena fampihavanam-pirenena ny eto Madagasikara.

RTT
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Minisitry ny Fitsarana
  • Alarobia 22 Aprily 2026

« Niray tetika tamin’i Kol.

  • Ny Antsa Rakotobe
  • Talata 21 Aprily 2026

«Fotoana hihainoana ny rehetra izao!»

  • ANTOKO FANOROLAHY-
  • Talata 21 Aprily 2026

FANAVAOZANA TENA IZY Ataovy aloha ny fifidianana

  • MADAGASIKARA (1991 – 2026)
  • Talata 21 Aprily 2026

Misy tsy mety ao matoa mikorontana isaky ny mihetsika

  • Hary Razafindrazaka
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

"Ireo MAPAR anaty fitondrana

Hijery ny tohiny
FTT