Hetsika goavana no tao Antsirabe ny sabotsy teo satria dia tonga nitsidika ireo mpitaky ny ara-dalŕna tao an-toerana Antsirabe indray ireo delegasionina avy aty Antananarivo notarihin’i Fetison Rakoto Andrianiriana, nahitana ihany koa an’i Mamy Rakotoarivelo sy i Zafilahy Stansilas.
Na dia nisy aza ny fampisehoana maimaimpoana nanasana mpanakanto kalaza toa an’i Lôla sy Lianah nokarakarain’ny Faritra Vakinankaratra tao amin’ny tangambaton’ny fahaleovantena dia vory marobe tao amin’ny Magro Avaratsena tokoa ireo vahoaka io sabotsy io, liana te haheno ny vaovao marina avy amin’ireto mpitarika ireto. Nisy ny tafa mivantana an-tariby nataon’i Marc Ravalomanana tamin’ireto vahoaka tao Antsirabe ka nilazany fa tsy ho ela intsony dia hisy ny vahaolana ho an’i Madagasikara ary tsy ho ela ihany koa dia hifanatri-tava amin’ny vahoaka Malagasy ny tenany satria betsaka ireo ezaka ataony any ampitan-dranomasina any hitadiavana izay ivoahan’ny Malagasy amin’izao krizy izao. Ilaina ihany koa ny fahaizana mifandray amin’ny any ivelany ahafahan’ny mpamatsy vola matoky sy hanampy an’i Madagasikara aorian’ny fivahan’ny krizy, hoy izy. Naneho ny alahelony koa ny filoha Marc Ravalomanana manoloana ny fikatonan’ireo orinasa afaka haba sasany tao Vakinankaratra izay miteraka fahavoazana ho an’ny mponina. "Fantatro tsara raha i Vakinankaratra", hoy izy, noho ny fisian’ireo orinasa maro ao aminy ankoatra ny maha vahoaka mpamokatra azy.
Nankahery ny vahoaka izy ary nanentana mba hanohizana ny tolona hatramin’ny farany izay nohamafisiny fa efa tsy ho ela intsony ny fiafarany. I Fetison Rakoto Andrianiriana indray no nanome toromarika ary nanipika mazava fa tsy maintsy tohizana ny tolona ary ilaina ny mijoro satria tsy mbola ara-dalàna izao fitondram-panjakana izao matoa tsy mbola ankatoavin’izao tontolo izao. Nilaza koa izy fa efa vonona ny any Pretoria amin’ny fanohizana ny dinika na misy aza ny milaza fa tsy ho any intsony ato ho ato. Nanentana ny olona tsy ho kivy izy ary nanao ohatra fa raha misy ny olona tsy taitra amin’izao krizy izao dia tairo ihany, hoy izy fa sao efa faty mitsangana. Roa ny tanjona, hoy izy dia ny famerenana an’i Madagasikara ao anatin’ny ara-dalàna ahazoana ny fankatoavana iraisam-pirenena ary ny famerenana ny Filoha Ravalomanana hanarina indray an’i Madagasikara. Nanome toky ny mpitolona izy fa amin’ny fiverenana manaraka dia inoana fa hiaraka aminy amin’izay ny filoha Ravalomanana. Nalai-nisaraka tanteraka ny an-daniny sy an-kilany tamin’ity fihaonana ny sabotsy teo ity. Marihina fa nanotrona ireto vahiny ireto ireo Parlemantera teo aloha notarihin’ny Senatera Lanto Rabenatoandro, ny depioten’Antsirabe II, ny Depioten’Antanifotsy ary ny an’Antsirabe I, ireo mpanolotsaim-paritra ary ireo solontenan’ny Ben’ny tanàna avy ao Vakinankaratra.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.