Politique

Magro Behoririka Ravalomanana tafaverina no hampisy Repoblika faha-4


  • Talata 25 Janoary 2011

Ny fiatrehana ny fitsarana ireo mpitari-tolona eny amin’ny fitsarana anio talata 25 janoary, ny hetsika manokana Hahatsiarovana ny alatsinainy mainty 26 janoary 2009, ny tsy fidirana anaty sambon’ny mpanongam-panjakana.

Ireo ny toko telo nisongadina ka heno tetsy amin’ny Kianjan’ny Magro Behoririka omaly alatsinainy 24 janoary 2011. “Masina ny tanindrazana”, hoy ny Dr Julien, “ka tsy mivoaka hatrany ny marina fa efa manaiky fa nanongam-panjakana izao ny tompon’andrikitra tao amin’ny FAT nalefa eny am-ponja”. “Fantantsika ny miseho eo amin’ny fitsarana malagasy ankehitriny”, hoy izy, “ka mila mahandry isika na rahoviana na rahoviana”. Naneho ny ahiahiny tahaka izany koa Atoa Ignace raha nilaza fa “raha ratsy ny vokatra hiseho rahampitso (anio talata) dia tokony hoesorina ny filamatry ny tribonaly ankehitriny”.

“Na izany na tsy izany”, hoy ny Révérend Ndrianalijohn, dia hanohana sy hanotrona ireo namantsika isika satria fanagadrana ara-kevitra tsy mitovy no nahazo azy ireo. Isika dia ny famerenana ny ara-dalàna ihany no mampijoro antsika”, hoy ny Depiote Mamitiana. “Ao amin’ny rariny sy hitsiny ny fitoriana nataon-dRavalomanana ary miady mafy izy ka ho avelantsika hiady irery ve ?”, hoy i Raveloson Constant. “Ao amin’io fitsarana io misy milaza hoe : mila porofo raha salama saina ny mpitory, fa salama saina tsara ve ireo nananga-tena ho minisitra an-dalam-be ?”, hoy izy. “Avelao ny mpitsara hitsara fa aza terena”, hoy i Manoela efa nahita sy niharan’itony raharaha itony. “Tsy mazava ny fitsipi-dalao matoa ny Ankolafy Telo tsy miditra ao anaty sambo”, hoy koa ny Depiote Mektoub. “Tazomy ny haino aman-jerinareo fa halalaho ny sehatra. Tsy misy Repoblika faha-4 eto raha tsy miverina i Marc Ravalomanana ary afaka milatsaka hofidiana filoham-pirenena”, hoy izy.

Nentanina tao amin’ny Magro Behoririka omaly fa rahampitso alarobia dia hisy hetsika manokana ahatsiarovana ny alina mainty 26 janoary 2009, toy ny hanehoana filma fanonganam-panjakana gasy.

Manohy
 
sary : Magro Behoririka

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Talata 05 Mey 2026

Hanomboka anio ny

  • PAN-Raharaha Naivo Raholdina
  • Talata 05 Mey 2026

«Mbola tsy azo esorina ny

  • Fanenjehana
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

an-dRajoelina, Ntsay Christian,…

  • Nampahatsiahy ny
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

antoko politika Teza

  • Julien Andriamorasata
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

«Iankinan’ny fiainam-pirenena

  • Madagasikara-Frantsa
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Mihenjan-droa ny tady, miverina sarin’ny 2008…

Hijery ny tohiny
FTT