Natao ny tolona noho ny tsy fitiavana
fitondràn’ny babakoto frantsay»
Natao ny tolona, hoy ny fampahatsiahivan’ny antoko politika Teza omaly, noho ny tsy fitiavana fitondràn’ny babakoto frantsay. Nanao izany ny tao amin’ny tafika, hoy ny filohan’ny antoko, Jean Louis Rakotoamboa. Isany ny Kolonely Randrianirina, hoy izy. Nalefa teny Tsiafahy moa izy. Nitarika tanora teny an-dalambe ny tanora Gen Z ary tsy niantso mpanao politika. Ny mpanao politika moa efa nitolona taloha nanoloana ny tsy fetezan’ny fitondràna Rajoelina. Mafy be ny herisetra dia voatery niantso ny fifanomezan-tanan’ny rehetra nefa izy ireo. Niongana ingahy Andry Rajoelina rehefa nanampy ny tafika. Fanonganam-panjakàna no nisy teto fa tsy hafa. Ny HCC no manaotao foana. Efa hita fa fanonganam-panjakàna dia nolazaina fa nisy fahabangan-toerana teto amintsika satria lasa ny filoham-pirenena, tsy hita ny filohan’ny antenimieram-pirenena dia namboamboarina fotsiny teo dia nomena fahefàna ny Kolonely Michael Randrianirina. Nolazaina fa ara-dalàna ilay fitondràna avy eo. Taiza teto ambonin’ny tany no nisy fanonganam-panjakàna ara-dalàna? Notazonina ny lalàmpanorenana dia nijanona teo daholo ny andrim-panjakàna rehetra nefa ny fanalàna an’izay no notakian’ny vahoaka. Nanomboka teo dia tafajoboka tanaty fandrika ny Kolonely. Mba tafajanona anaty ara-dalàna, hono, izy dia mahazo fankatoavana amin’ny sehatra iraisampirenena. Mahazo vola amin’ny mpamatsy vola. Izay no lasa nanaovana takalon’aina ny tolona. Betsaka noho izany no kivy satria ohatran’ny fanavaozana fitondràna Rajoelina no misy. Tafidi-kizo ny Kolonely Michael Randrianirina. Be dia be izao ny milaza fa tsy mety ny lalana mankany amin’ny fikaonandoham-pirenena satria tokony hisy fikaonandoha savaranonando aloha! Hamoriana ny rehetra io hanontaniana hoe inona no tokony ovaina eto amin’ity firenena fa tsy ny Kolonely sy ny forongony irery no mikononkonona ao. Tokony asiana rafitra iray anaty lalàmpanorenana dia ny filankevitra ara-toekarena sy sosialy na «conseil économique et social». Ao ny mpisehatra ara-toekarena sy sosialy rehetra no miady hevitra isan-taona mitohy fa tsy tora-po fotsiny dia afaka manome tolo-dalàna ahafahana manavotra ny firenena. Isan’ny olana fototra lehibe eto amin’ny firenena koa ny famatsiam-bola ireo antoko sy ny fampielezankevitra. Mankanesa ao amin’ny CSI na «Conseil pour la sauvegarde de l’intégrité», izany hoe, filànkevim-pitandroana ny marina. Misy boky mikasika ny famatsiana fampielezankevitra ao. 43 tapitrisa Dolara no lanin’ny filoha Hery Rajaonarimampianina nefa izy tsy nanana antoko. Taiza no hitany izany ilay famatsiam-bola? Tsy misy antoko politika mandeha amin’ny lala-mahintsy ka manana an’izany fa samy Franc Maçon moa izy sy ny Dr Jean Louis Robinson. Fifidianana, noho izany, no tokony ifotorana amin’ny fikaonandoham-pirenena! Hiadiana hevitra ny lalànan’ny demokrasia, lalàna mifehy ny antoko, ny mikasika ny haino aman-jery sy ny mifandraika amin’izany rehetra, hoy hatrany ny antoko politika Teza.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.