immunité », tsy misy fitsarana azo atao,… !»
araka ny lalàna, dia manana ny zo tsy azo henjehina na « immunité parlementaire » ny depiote, ka tsy azo hesorina aminy io raha tsy misy fanapahan-kevitra avy amin’ny Birao maharitra. Hatreto, mbola tsy naharay taratasy avy amin’ny Minisitry ny Fitsarana izahay ato amin’ny antenimierampirenena, ka mbola tsy misy fitsarana azo atao amin’ny depiote Naivo Raholdina », hoy ny Filohan’ny Antenimierampirenena Siteny Randrianasoloniaiko omaly 04 mey 2026, mikasika ny fisamborana ny depiote Naivo Raholdina voafidy tao amin’ny Boriborintany faha-5. «Tsy maintsy misy taratasy mazava tsara avy amin’ny Minisitry ny fitsarana manazava azy, ka mivory ny Birao maharitra, mijery hoe : hoesorina sa tsia ny «immunité parlementaire ». », hoy hatrany ity farany. Milaza moa i Siteny Randrianasoloniaiko, fa nitsabo tena tany ivelany sy natao fandidiana i Naivo Raholdina. « Ny Fanjakana Malagasy no nitsabo azy », hoy io Filohana andrim-panjakana io. Andaniny, nilaza ho tsy manana vaovao manokana sy tsy nahafantatra mialoha ny lehiben'ny mpanohitra eo anivon'ny Antenimierampirenena, Milavonjy Philobert. Efa niantso ny filohan'ny Antenimierampirenena. Notsindriny fa mbola Solombavambahoaka feno i Naivo Raholdina, avy nitsabo tena, nihatrika fandidina tany ivelany izy taorian'ny fahavoazana nisian’ny fahapotehan’ny fananany. Hiatrika ny fivoriana ara-potoana voalohan'ny Antenimierampirenena izay hatomboka anio no nambara fa antony heverina fa nahatongavany teto Madagasikara taorian'ny fihatrehany ny fitsaboana. Somary nanaitra sy niteraka adihevitra ihany moa ny nilazana fa ny Fanjakana Malagasy no nitsabo an’i Naivo Raholdina », izay zava-dehibe amin’ny maha olona amin’ny lafiny iray, saingy betsaka ihany koa no maneho mila tamberiny ny vahoaka Malagasy.
NITOMBINA NY FIAROVAN-TENA SA NISY FIFANARAHANA POLITIKA ?
Raha nisy ireo depiote miisa 5 nesorina tamin’ny toerany, dia tsy mba isan’izany i Naivo Raholdina, fa nisitraka ny zo feno sy tombotsoa maha depiote azy mazava azy. Tsy ity farany irery no nilaza marary, fa nisy nanao fiarovan-tena tahaka izany, saingy naongan’ny HCC ihany. Niongana ry depiote Ahmad Ahmad izay mpifaninana ho filohan’ny antenimierampirenena saingy niala an-daharana, niongana i Jocelyne Rahelihanta izay nalaza tamin’ny « bôka atimo sy bôka avaratra » ny taona 2023 fony nanao ny « Mihava Tour » ny kandida Siteny Randrianasoloniaiko ny faramparan’ny taona 2023,… Misy ihany ny manao fanontaniana eny amin’ny tambajotran-tserasera hoe : tena ny fiarovan-tena ve no nafonja sy azo raisina sa mety nisy ny nandeferana ary tao ny tsy nisy indrafo ? Mety nisy ihany koa ve ny « deal » na fifanarahana politika indrindra fa nisy ihany koa ny fisintahan’ny 80% tamin’ireo depiote IRMAR rehefa niongana Rajoelina? Andrasana ny tohiny sy ny fanazavana ofisialy mikasika ny raharaha handihadihadiana ny depiote Naivo Raholdina sy ny fanapahan-kevitra etsy amin’ny Antenimierampirenena, fa raha ny valintenin’i Tsimbazaza aloha izany dia tsy ao anatin’ny fanarahan-dalàna ny fisamborana ary tsy tokony hisy fitsarana handeha raha tsy miala ny zo tsy azo henjehina, izay ny Birao maharitry ny antenimierampirenena no manapaka. Andaniny, betsaka ny mampahatsiahy ireo heverina fa raharaha na ahiahy mikasika ity depiote ity, toy ny resaka raharahan-tany sy tanim-panjakana, ny herisetra sy fandrahonana samihafa, ny fampiasana andian’olona nihetraketraka, ny kajikajy politika politika nanaovana baiko sy tsindry tamin’ireo sefom-pokontany tamin’ny fifidianana,…
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.